Tontosa omaly alahady 21febroary teny amin’ny FLM Ambatovinaky ny fanolorana ny Pastora Rakotonirina David, filohan’ny Synoda FLM Antananarivo ny maripahaizana
“Honorary Doctor of Divinity”, izay mitovy lenta amin’ny PhD na ny diplaoma ambony indrindra avoakan’ny oniversite any Etazonia. Ny Profesora Rakoto David Olivaniaina sojaben’ny « Science de la Société » na ny EESDGS avy eny amin’ny oniversiten’Antananarivo no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy izany maripahaizana izany omaly. Nambaran’ity farany fa efa nifandray sy nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ilay oniversite Amerikanina izy ary voamarina ny maha ara-dalàna ilay maripahaizana natolotra ny Pastora Rakotonirina David. Ny Profesora Rabarihoela Bruno no nitarika ny lanonana, izy no nanazava ny fenitra akademika rehetra sy namelabelatra ny momba ny Pastora Dr Rakotonirina David. Nisolotena ny oniversiten'Antananarivo sy ny NLTI izay nanome ity Doctorat ity ireo sojabe sy mpampianatra maro avy amin’ny oniversiten'Antananarivo. Tazana nanotrona teny Ambatovinaky ihany koa ireo solontena avy amin'ny Fakiolten’ny FJKM ao Ambatonakanga. An-kilan’izay, tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao dia nilaza ny avy ao amin’ny foibe FLM fa ny fahamarinan'ny fahazoana an'io diplaoma io dia mbola ambany fanadihadian'ny Foibe FLM amin'ny alalan'ny Sekoly Ambony amin'ny Teolojia Loterana (SALT) ao Fianarantsoa ary Mbola hohadihadiana tahaka izany koa ny amin'ilay Sekoly namoaka ny diplaoma, dia ny "Niagara Lutheran Theological Institute inc". Miandry ny vokatry ny fanadihadiana vao afaka milaza ny fanekena na ny tsy fanekena ny diplaoma "Honorary Doctor for Divinity" an'ny Pastora David Rakotonirina, Filohan'ny SPAnta.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.