Finoana

Pastora Rakoto Endor Modeste Lasibatra koa


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

Asa na dia inona loatra fa dia toy ny fiainan’izao tontolo izao ihany no mitady hanjaka eo anivon’ny fiainam-piangonana eto amintsika.

 Niaraha-nahita ireny resabe tamin’ny synodan’ny FJKM natao tany Manakara lasa teo, nifidianana izay birao hitondra ny FJKM ato anatin’ny efa-taona ho avy. Tsy ny FJKM ihany no handrenesana resabe fa miala any koa izao ny momba ny FLM izay hiatrika synoda lehibe any Toliara koa manomboka ny 4 septambra ho avy izao. Mbola raharaha mafana tsy ahitam-bahaolana hatreto koa anefa ny momba ny synodam-paritanin’Antananarivo sy ny famindrana an-keriny pastora 23. Anisan’ny asa miandry mandritry ny synoda lehibe ankoatra ny fandinihina ny fiainan’ny fiangonana loterana, ny fifidianana izay ho birao vaovao hitondra ny FLM ato anatin’ny efa-taona ho avy ihany koa.

Araka ny loharanom-baovaonay dia misy mikononkonona hanongana ny filohan’ny FLM am-perinasa, pastora Rakoto Endor Modeste ihany koa ankehitriny. Efa mandeha ny asa rehetra ka olona 15 eo ho eo no tena lohany, mifamory amina toerana iray miketrika izany. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra amin’ny fomba ofisialy ireo ho kandida fa siosio no betsaka. Tsy ny vola ihany no miasa sy hiasa, araka io loharanom-baovao io, fa hatramin’ny resa-piaviana, izay tena mamohehatra sy mahamenatra, indrindra finoana no resahina eto.

Tsy mivantana koa, hoy ny loharanom-baovao ihany, ny fampiasana vola fa ireo synoda sahirana no tolorana fanampiana, amin’izay dia hoenti-kenamaso sy tsy mahaleo tena intsony ka dia mora ny hahazoana vato. Manodidina ny telo tapitrisa ny Loterana vita batisa hatreto. Hanana solontena 20 avy amin’io synoda lehibe io ireo synoda 23 manerana ny Nosy, izany hoe 460 ireo handray anjara. Ho hita eo ihany ny ho tohin’ity raharaha ity.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT