Finoana

Pastora Dr Rakotonirina David “Tsy afaka miafiafy ny fiangonana manitsy”


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Tonga ny fotoana amin`ny fandinihana ny andraikitry ny fiangonana eo amin`ny lafiny filaminana sy fampandrosoana.

 

Ny sabotsy 10 martsa lasa teo dia nampiantso ny zanany ny fiangonana Loterana rehetra manerana ny nosy sy ny hery rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny firenena. Maro ireo tompon`andraikitra eto amin`ny firenena namaly ny antso amin`ny maha zanaky ny fiangonana Loteranina Malagasy ary vory lanona tetsy amin`ny FLM 67ha. Nisy ny fotoam-bavaka niarahana dinika mahakasika ny dinam-pampandrosoana ho an`ny firenena. Tonga nanotrona ny hetsika ihany koa ny FFKM tamin`ny alalan`ny SEFIP amin`ny maha mpanomana azy ary efa nanapa-kevitra ny SEFIP fa mifanohana amin`izay hataon`ny fiangonana efatra. Ny FLM miaraka amin`ny FFKM, amin`ny maha fanasin`ny tany azy sy fanazavana azy dia mijoro sy mandray andraikitra feno sy tanteraka. Hoheverina hitondra ainga vao sy hery ity fihaonana ity, hoy ny Pastora Dr Rakotonirina David. Raha ny fidiran`ny FLM amin`ny tontolo politika no asian-teny dia amin`ny maha mpaminany ny fiangonana, tsy afaka miafiafy amin`ny filazana ny fanitsiana ny tokony hahitsy, ny toromarika tokony hizorana fa tanjona dia mila mijoro ity firenena ity, hoy hatrany ny fanazavany.

 


 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT