« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa tsy izay natao, dia Jesoa Kristy »I Kor3 :11. Io andinin-tsoratra Masina io no nentina
nanokafana ny Jobily faha-25 taona naha mpitandrina an’ny Pasteur Ralison Gilbert tetsy amin’ny FJKM Fanasimpiderana Antanimena Andrefana ny omaly alahady. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ary nitondra ny hafatra sy ny tenin’Andriamanitra ny filohan’ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano, ny Mpitandrina Rabetokotany Andriamialy. Tamin’izany no nanambarany ny maha sarotra ny asan’ny mpitandrina saingy rehefa i Jesoa Kristy no enti-manorina ny asa rehetra dia mandeha ho azy izany eo ambany fahasoavan’Andriamanitra. Mitohy amin’ny fisotroan-dronono moa izao fankalazana ny jobily izao ary any amin’ny volana septambra any no hanatanterahana ny ivon’ny jobily. Nitohy tamin’ny fiderana moa ny fanokafana ny jobily ny tapany hariva izay niarahana tamin’ny STK Fanasimpiderana sy ny tarika Hasim-piderana. Faly sy nitotorebika ny vahoakan’Andriamanitra tamin’io fotoana io ary feno hipoka ny fiangonana na ny fidirana voalohany na ny faharoa. Nanamarika ny fotoana ihany koa ny niarahabana ireo zokiolona 70 taona no ho miakatra nahatratra ny taona vaovao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.