Finoana

Pastera Roger Randriamisata “Tarihana tsy hino an’Andriamanitra ny Malagasy…”


  • Sabotsy 16 Febroary 2019

Maro ny olona mandika ny loza samihafa miseholany eto amin’ny firenena, izay efa namoizana ain’olona an-jatony mahery ho kapoka na famaizan’Andriamanitra.

 

 Toa nifanandrify tamin’ny nandraisan’ny fanjakana vaovao ny fitondrana sy ilay fianianana nanilihana ny baiboly rahateo, ka tsy vitsy no mampifandray ny zava-misy. Ny fanaovana fianianana tamin’ny baiboly dia efa kolontsaina teto amintsika. Efa nolovaina tamin’ny mpanjaka. Ny mpanjaka sasany izay nitaingina teo amin’ny vatomasina, dia nianiana tamin’ny baiboly, nanomboka taty amin’ny andron-dRanavalona faharoa, hoy kosa ny Pasitera Roger Randriamisata rehefa nalaina ny heviny. Efa lasa kolontsaina teto io, ary tsy fantatra izay nanala azy, ary niverina indray avy eo, kanefa ny farany teo dia iny hoe nesorina teto iny. Ny olantsika anefa amin’ilay “laïcité” alaina amin’ny Frantsay, dia tsy mijanona fotsiny amin’ny fisarahan’ny fitantanana ny fanjakana sy ny fiangonana, fa famoronana fiarahamonina na fitondrana fanjakana tsy misy Andriamanitra, raha ny nambarany. Izay ilay tena olana be amin’izao hoe: tsy mila an’Andriamanitra ao anatin’io na dia hoe ny baiboly ihany aza no nampiasaina propagandy. Ny Frantsay no miditra amin’io lalana io ary tonga any amin’ilay hoe: “Athéisme” na tsy finoana an’Andriamanitra. Eo ihany koa ny fampitoviana fotsiny marindrano ny fivavahana rehetra, hivoizana ny tsy fitanilan’ny fanjakana amin’ny fivavahana, kanefa tena diso mihitsy ilay izy, raha ny hevitr’ity mpitandrina Fjkm ity. Any amin’ny fanjakana maro eto ambonin’ny tany, dia misy ny atao hoe “équité”, izany hoe ny maro an’isa no mipetraka ho azy sy arahin’ny maro. Any amin’ny firenena tahaka an’i Arabie Saoudite izay mifandray amintsika izao, dia ny silamo no maro an’isa dia ny fomba silamo sy ny fiainana silamo no tena mibahana. Eto izany, dia ny kristianina no maro an’isa aloha, tsy misy hoe noteren’ny FFKM fa ny kolontsaina kristianina no tena ifotoran’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Mandeha miangona sy mivavaka ny olona, ary na any amin’ny fitondrana fanjakana aza dia misy vavaka atao. Ilay izy anefa eto, dia hita be ilay hoe fanilihana sy fandakana an’Andriamanitra. Ny hoe : “mety kapoka io”, izaho dia mametraka hoe: Izy Andriamanitra no tena mahalala an’izay, fa mampieritreritra fotsiny rehefa miverimberina ny Loza hoe: ny aroa tondra-drano, ny aria vato mihotsaka,… dia mampieritreritra ary tokony handini-tena ny mpitondra, tokony hieritreritra ny vahoaka hoe: inona marina no tsy mety ? hoy hatrany ity mpitondra fivavahana ity, rehefa nalaina ny heviny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT