Finoana

Pastera Mailhol “ Vavaka no hahafahana miaro ny Malagasy”


  • Talata 28 Janoary 2020

Efa miaina tanteraka ao anatin’ilay vanin’andro apokaliptika isika ankehitriny na ilay antsoina hoe : andro farany, hoy pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara omaly.

 

 

Efa miseholany ireo zavatra voalazan’ny bokin’ny Apokalipsy toy ny tondra-drano, ny areti-mandringana….Efa nambarako tamin’ny fiandohan’ny volana janoary teo daholo ireo rehetra ireo ary mbola ampiko fa hisy mpanao politika tranainy sy vaovao ho faty amin’ity taona 2020 ity raha hisy filoham-pirenena hiongana amin’ny toerany ihany koa. Nohamafisiny fa efa nambaran’Andriamanitra taminy mialoha ihany koa ny fisiana mpanao baolina  malaza hamoy ny ainy ary iny vao tanteraka tamin’ny faran’ny herinandro teo iny izany. Mikasika ny Coronavirus manokana dia nomarihin’ny pastera Mailhol fa tsy afa-miala amin’io aretina io isika eto Madagasikara noho ny fisian’ireo teratany Sinoa marobe mivezivezy sy monina eto amintsika. Na izany aza anefa  dia notsindriany fa  amin’ny alalan’ny vavaka ihany no hahafahana miaro ny vahoaka Malagasy. Manana andraikitra goavana amin’izany ireo raiamandreny am-panahy amin’ny alalan’ny vavaka hataon’ny isam-piangonana. Miantso ny rehetra mba hivavaka sy hiankohoka amin’Andriamanitra araka izany pastera Mailhol hahafahana mampihena ireo loza voajanahary mety hitranga eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT