Finoana

Pastera Mailhol Tsy mankasitraka fanonganam-panjakana


  • Alatsinainy 13 Septambra 2021

Na rahoviana na rahoviana dia tsy mankasitraka velively ny fanonganam-panjakana pastera Mailhol Andre Christian Dieudonné,

 filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara. Tsy mahasoa ny firenena intsony izany hoy izy ary tokony samy hahay haka lesona ny rehetra. Ny mpanohitra hoy izy tsy maintsy mitady hevitra hanalana ny mpitondra eo amin’ny toerany foana nefa ny mpitondra ihany koa tsy hanaiky mora foana ny handao ny fihinanany izabt . Vokatr’io tsy fifankazahoan-kevitra io hoy izy no mitarika olana eo amin’ny fiainam-pirenena izay misy fiantraikany hatrany. Ho ahy manokana hoy hatrany Pastera Mailhol dia tsy tiako ny haongana rehefa tonga eo amin’ny Fitondrana aho noho izany tsy hankasitrahako ihany koa ny fanaovana izany. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-25 taona nisian’ny Fiangonana Apokalipsy teto Madagasikara tamin’ny sabotsy 11 septambra teo. Teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanaovana ny fankalazana izay narahin’ny fanokafana ny fiangonana manerana ny Nosy ihany koa taorian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Nankasitraka sy nisaotra ireo mpitondra nifandimby niara-niasa taminy araka izany pastera Mailhol mivady tao anatin’izay 25 taona izay. Nisaotra ny mpino ihany koa izy izay marihina fa tena nangorom-potsy tokoa teny amin’ny coliseum. Tsy omby ity ivon-toerana fandraisana fety aman-danonana ity raha izay no hilazana azy. Mikasika ny faminaniana manokana moa dia fantatra fa mbola hisy hatrany ny fanonganam-panjakana maneran-tany, tranga izay tsy miova hoy izy. Mbola hisy ihany koa ireo olo-malaza hamoy ny ainy. Toraka izany koa ny areti-mandringana…. Mbola tsy misy kosa ny faminaniana vaovao azony mikasika ny fiainam-pirenena hoy hatrany pastera Mailhol.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT