Finoana

Pastera Mailhol “Ndao isika rehetra hiara-hitaky ireo Nosy Malagasy”


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Ny famerenana ireo Nosy Malagasy ho eo am-pelatànan’ny Madagasikara ihany no hitan’ny pastera Mailhol fa vahaolana hahafahana miady amin’ny fahantrana eto amintsika.

 

 


Anisan’ireny ny tsy fandriampahalemana ateraky ny tsy fananan’asa, ny delestazy lavareny…. Mahatratra 12.500 miliara m³ mantsy raha ny fanazavany ireo gazy sy solitany hananantsika ao anatin’ireo Nosy Malagasy ireo. Raha mitrandraka 1 miliara m³  isan-taona monja isika hoy izy dia mandritra ny 12.500 taona mbola afaka mitrandraka foana, hahazoana mampiditra 60 ka hatramin’ny 70 miliara dolara isan-taona. Afaka misitraka 500.000 dolara amin’izany isam-batan’olona ny vahoaka Malagasy 27 tapitrisa hoy izy ka ny olona iray farafaharatsiny dia mikarama 120 tapitrisa Ar isan-taona. Mitaky firaisankina anefa ny fanatanterahana izany hoy izy fa tsy hianterahana amina olom-bitsy fotsiny toy ny nitranga teny Andafiavaratra izay solontenan’ny Malagasy vitsy monja no nanatrika izany, ny teny amin’ny CCI Ivato izay nantenain’ny pastera Mailhol fa tokony nahavory vahoaka marobe tokoa…. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra hiara-hitaky ny Nosy Malagasy araka izany ny tenany. Tsy ho avotsotry ny Frantsay izay efa sahirana mantsy hoy izy ireo Nosy ireo raha mbola tsy maneho ny firaisankinantsika isika, izay tonga amin’ilay fitenenana hoe : valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia. Nisy moa ny fotoam-pivavahana notanterahin’ny fiangonana Apokalipsy notarihin’ny pastera Mailhol nysabotsy teo tetsy Ambohijatovo. Nivoitra tamin’izany fa hitondra am-bavaka ny lafiny ara-panahy izy ireo mba omen’Andriamanitra ny Malagasy ireo Nosy ireo raha ankinina amin’ny Mpitondra fanjakana kosa ny lafiny ara-diplaomasia sy ny fifampiresahana rehetra. Tsara ho marihana fa anisan’ny nahazo fanasana ary nanatrika ity hetsika teny Ambohijatovo ny sabotsy lasa teo ity ny kandidan’ny TIM Riana Randriamasinoro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT