Nilaza ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena omaly ny pastera Mailhol. Nandritra izany no nanamafisany fa tokony hotanterahana haingana ny fifidianana ary faranana amin’ity taona 2010 ity ny fitondrana tetezamita.
Raha tsy izay dia hitarazoka ny famahana ny krizy, araka ny nambarany, ka mety ho any amin’ny faran’ny taona 2011 any indray vao ho vita ny tetezamita. Anisan’ireo tsy mankasitraka ny mbola hananganana tetezamita hafa indray ny pastera Mailhol, izany indrindra no nanaovany antso avo amin’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy mba hifantoka amin’ny fikarakarana fifidianana fa tsy ho variana amin’ny dinika etsy sy eroa izay mandany andro fotsiny amin’ny ankapobeny fa tsy hamaha velively ny krizy. Nahitsy ny tenin’ity filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy ity nanao hoe : « fa inona foana no mbola andrasana fa tsy atao haingana ny fifidianana, azo atao izany na manaiky na tsia ny ankolafy 3.Ny fitondrana tetezamita rahateo efa nilaza fa tafiditra ao amin’ny banky foibe ny 100 tapitrisa dolara avy amin’ny WISCO noho ilay fitrandrahana vy ao Soalala, koa inona indray no andrasana, 40 tapitrisa dolara dia efa mahavita ny fifidianana rehetra tokony hotanterahana ao anatin’izao tetezamita izao ».
Mikasika ireo ambara fa sakana mahazo ny tetezamita amin’izao fotoana izao ka tsy hahafahany mandroso, dia tsotra ny fandinihan’ny Pastera Mailhol azy ka nilazany hoe : « matoa nisy mpitondra iray notohanan’ny vahoaka ka napetrany eo amin’ny fitantanana ny firenena dia misy zavatra takiana sy andrasana aminy. Matoa koa nanaiky io mpitondra io dia efa manana drafitra maty paika izy hamahana ny olana rehetra, fa tsy rehefa misy olana dia mahita hialana bala foana, ka lazaina fa vonona ny hiasa ihany ny fitondrana saingy izatsy na izaroa no vato misakana tsy hahafahana miroso amin’ny dingana manaraka. ». Tahaka ny lalao baolina kitra ny politika sy ny fitantanana firenena, hoy ny pastera Mailhol, ka tsy hisy mihitsy mpifanandrina hamela anao hamono baolina moramora izany, fa tsy maintsy miasa mafy avokoa miaro ny taniny sy ny tombontsoany ny irakiraka sy ny vodilaharana ary ny mpiandry harato, mbola arahana fingana sy tosika aza izany matetika. Rehefa mahavita azy dia aseho izany ary atao hatramin’ny farany ny zavatra nampanantenaina ny vahoaka, fa mila mitsotra kosa rehefa tsy hahatafita ny baolina, dia miala am-panetren-tena.
Nanolotra soso-kevitra amin’ny tetiandro tokony hohajain’ny tetezamita moa ity pastera sady mpaminany ity ka araka ny eritreriny dia amin’ny tapatapaky ny volana oktobra no hatao ny fitsapan-kevi-bahoaka hanovana ny lalàmpanorenana, irosoana avy hatrany ny fifidianana filoham-pirenena avy eo. Raha voahaja izany dia any amin’ny 11 martsa 2011 any ho any no tafapetraka ny repoblika faha-4 ary mahazo filoham-pirenena vaovao ny malagasy. Mikasika ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa kosa, dia nanamarika izy fa tena manana olana lehibe ny fitondrana tetezamita matoa miandry tairina sy hanaovana fitokonana vao mandoa ny karama sy manome vola, tahaka ny mitranga eny amin’ny oniversite sy eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana. Ny pastera Mailhol moa dia manamafy fa tsy tokony hanaraka ny fifanarahan’i Maputo satria tsy hitsangana eto mihitsy ilay hoe : « transition consensuelle et inclusive ». Manamafy ihany koa izy fa hatolotra azy ny fitondrana amin’ny 2013.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.