Finoana

Pastera Mailhol « Mety ho kandida ireo vahiny omena zom-pirenena »


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Mitana ny sain'ny mpanara-baovao maro eto an-toerana ankehitriny ny fisian'ilay tolo-dalàna momba ny fangatahan'ireo vahiny monina eto Madagasikara ny hanomezana azy ireo ny zom.pirenena Malagasy,

tolo-dalàna izay fantatra fa mandalo eny anivon'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fotoana izao! Nilaza ny heviny momba azy io ny Pastera Mailhol Filohan'ny Fikambanana Apokalipsy maneran-tany. Misy lafy tsarany sy lafy ratsiny io resaka fanomezana zom-pirenena ho an'ny teratany vahiny io hoy izy ! Raha omena izany mantsy izy ireo dia ho afaka mandray anjara bebe kokoa amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara satria afaka hampiasa malalaka ny volany amin'ireo tetik'asa maro sy fandraharahana tiany atao satria efa tera-tany Malagasy toa antsika izy ireo amin'izany ka tsy ho voafehin'ny lalàna mifehy ireo vahiny miasa sy monina eto amin'ny firenentsika intsony ! Amin'izao fotoana izao mantsy dia voafetra ihany ny azon'izy ireny hatao hany ka miompana kokoa any amin'ny resaka varotra ireo vahiny eto amintsika toy ny karana,sinoa,afrikanina sns.. varotra izay hitsentsefan'ny sasany amin'izy ireny ny madinika mihintsy indraindray kanefa tsy mba misy tamberim-bidy ho an'ny vahoaka sy ny faritra hanaovan'ireo vahiny ireo izany fandraharana hataony izany akory ! Misy lalàna mantsy ny tsy hahafahan'ireo vahiny mampiasa vola betsaka malalaka eto Madagasikara ka tsy hahafahan'izy ireo ihany koa manao tamberiny eto an-toerana ! ilaina ary mety hahatsara zavatra raha izany ny hanomezana zom-pirenena ireny vahiny efa nonina ela sy nivarotra ela teto ireny izay misy mihitsy aza efa milevina eto rehefa misy maty fa tsy miverina any amin'ny firenena nihaviany intsony hoy hatrany Pastera Mailhol. Raha izay no mety lafy tsarany, mety ho lafy ratsiny kosa raha omena ny zom-pirenena Malagasy ireny vahiny ireny ny mety hividianan'izy ireny ny velaran-tany maro eto Madagasikara. Tsy misy dikany amin'ny volan'ireo vahiny mantsy ny vidin'ny tany eto amintsika raha afaka mividy malalaka amin'izay izy ireo amin'ny mahatera-tany Malagasy azy ! Ambany dia ambany ny sandam-bolantsika mihoatra amin'ny vola vahiny ! mety ho tompony mangataka atiny isika tena Malagasy madinika amin'izay satria tsy manana ny fahefa-mividy hividy am-pahatany kely akory eo anatrehan'ireo vahiny mpanambola mangorona izay tany hitany sy tiany hoy hatrany Pastera. Ny tena mampanahy aza hoy ny Pastera Mailhol dia ny mety hilatsahan'izy ireny mihitsy amin'ny fifidianana rehetra eto Madagasikara indrindra ny fifidianana Filoham-pirenena ! Manam-bola mantsy ireo vahiny ireo ary afaka mandray anjara malalaka hirotsaka hofidiana rehefa manana zom-pirenena Malagasy ! Fanontaniana napetraky ny Pastora Mailhol manoloana izany ny hoe : "hahasoa ny vahoaka Malagasy 27 tapitrisa ve sa tsia ny mety ho fandanian'ireo parlemanta 2 tonta na tsia an'izany lalàna fanomezana zom-pirenena Malagasy ho an'ny vahiny izany !? "Sao sanatria hiditra anaty fanjanahana vaovao indray ny vahoaka tsy mandady harona ?? Tsy ireo parlemanta maro an'isa mpiara-dia amin'ny fitondram.panjakana izay mety handany izany lalàna izany mantsy no hizaka ny vokany raha sanatria tsy hahasoa izy io fa ny taranaka fara mandimby mihitsy indrindra ny vahoaka madinika maro an'isa ! Tokony handinika tsara arak'izany ny mpitondra fanjakana isan.tokony hoy ny Pastora Mailhol mialohan'ny hanapahana hevitra momba ity resaka zom-pirenena ho an'ny vahiny ity !
Pati
Legende : Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT