Finoana

Pastera Mailhol « Mbola hitohy ny areti-mandringana… »


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Firenena tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitra i Madagasikara hoy

 

 

 

pastera Mailhol filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy tamin’ny sabotsy teo, raha nitarika fivavahana teny Ambohimarina Itaosy ny tenany. Vavaka ho an’ny firenena no nokasaina natao hoy izy mba tsy hiverenan’ny areti-mandringana nefa nofoanana tamin’ny ora farany izany raha efa tafapetraka avokoa ny fitaovana marobe teny Ambohijatovo. Ankoatra izay hoy izy raha nasaina ireo mpitondra dia lasa any Atsimo daholo ihany koa fa tsy nisy niomana ho amin’izany na dia vavaka ho an’ny firenena aza no nokasaina hatao.Ny Zoma hariva teo moa vao tonga teo am-pelatanan’ny pastera Mailhol ny taratasy avy amin’ny prefet nampahafantatra fa tsy omena azy ireo indray ny kianjan’Ambohijatovo nefa vola an-tapitrisany maro no efa lany tamin’ny fikarakarana. Raha ny resaka natao tamin’ny pastera dia noho ny hamaroan’ny mpivavaka eny anivon’ny fiangonana Apokalispy no antony nandraisan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany ankoatra ny feo nandeha fa misy mitady hanakorontana ihany koa teny Ambohijatovo ka mety hanimba ny fijerin’ny rehetra ity fiangonana ity. Rehefa nojerena indray anefa ny taratasy tany amin’ny prefet dia nambarany tao anatin’izany fa tsy voahaja ny geste barrière noho ny hamaroan’ny mpivavaka. Nohamafisin’ny pastera Mailhol araka izany fa mbola hitohy amin’ny taona vaovao 2021 ho avy io n y areti-mandringana ka ho voa hatramin’ny biby fiompy rehetra. Efa vitan’ny fiangonana ny ala nenina hoy izy raha efa vitanay ihany koa ny vavaka ho an’ny firenena koa anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra. Mikasika ny vola very tamin’ny fikarakarana teny Ambohijatovo moa dia mangataka fanonerana ny fiangonana raha omen’ny fanjakana. Raha tsy hanome kosa izy ireo dia isaorana ny fanjakana izany hoy pastera Mialhol ary tsy hanozona azy ny fiangonana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT