Finoana

Pastera Mailhol Manohana 100 % ny kabarin’ny filohan’ny FJKM


  • Talata 23 Janoary 2018

Manohana 100 % ny kabarin’ny filohan’ny fiangonana FJKM ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi tamin’ny Alahady teo teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny pastera Mailhol mikasika ny fanentanany ny Kristianina mba hiroso bebe kokoa amin’ny fanaovana politika.

 

 Ny kristianina ihany mantsy no afaka hampihatra ny politikan’ny Baiboly toy ny fanaovana ny fahamarinana, tsy manao kolikoly, tsy mamita-bahoaka,  tsy mandainga,  tsy tia tena sady manaraka ny sitrapon’Andriamanitra, hoy izy. Isaorako 100 % ny filohan’ny FJKM  tamin’iny kabariny iny, hoy hatrany pastera Mailhol.  Nomarihiny manokana moa fa anisan’ny antony manosika azy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny antson’Andriamanitra avy any ambony hanavotra ny firenena. Tsy fidiny ho ahy izany fa iraka. Aza mifidy ahy izay mbola mieritreritra ny hanao kolikoly. Nantsoiny tsy handatsa-bato ho azy ireo koa ireo maniry mafy ny hahafahan’ny lahy sy ny lahy sy ny vavy sy ny vavy hifampaka-bady eto amintsika satria raha lany soa aman-tsara eo izy dia tsy hotanteraka mandrakizay izany. Ny hiarovako ny fireneko tsy haringan’Andriamanitra no antony, hoy izy satria zava-pady eo imason’Andriamanitra izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT