PASTERA MAILHOL

Hasain’ny Fiangonana United Church of God any Etazonia


  • Zoma 01 Martsa 2024

Hasain’ny Fiangonana United Church of God na ny Fiangonan’Andriamanitra Miray

ho any Etazonia Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy manerantany. Nandritra ny fahatongavan’ny Pastera Timothy Pebworth teto Madagasikara no nahafantarana izany izay nanome tombony manokana ity fiangonana iray ity. Niara-nivavaka tamin’ireo mpino Apokalipsy teny Ambohimarina Itaosy mihitsy ny tenany ny Sabotsy 24 Febroary lasa teo. Nambaran’ity pastera Timothy ity mantsy fa mitovy tsy misy hafa amin’ny fiangonana entiny ny foto-pampianarana sy foto-pinoana hampianarin’ny Apokalipsy. Lohalaharana amin’izany ny fanajana ny andro Sabata. Eo ihany koa ny tsy fihinanana biby maloto arahin’ny finoana ilay Jesosy Kristy maty andro Alarobia izay nilevina telo andro sy telo alina vao nitsangana tamin’ny maty. Hasaina manokana handray fitenena mihitsy Pastera Mailhol mandritra izany. Ankoatra ity fisantarana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izay nahatongavan’ny pastera Timothy teto Madagasikara ity moa dia anisan’ny nanohana sy nahafaly be ity Pastera ity ihany koa ny fahaizan’ny fiangonana Apokalipsy mitantana izay eo am-pelatanany tsy misy mpamatsy vola. Anisan’izany ny fananganana ilay fiangonana lehibe indrindra aty Afrika etsy Ambohimarina izay tsy misy mpamatsy vola fa amin’ny alalan’ny rakitra sy ny ampahafolon-karena no hanamboarana azy, raha toraka izany koa ny foiben-toerana misy ny Radio Fanambarana eny Ambohimitsimbina. Marihina moa fa i Pastera Timothy no Pastera lehiben’ny faritra any Eoropa sy aty Afrika eo anivon’ny fiangonana misy azy. Pati
Legende : Pastera Timothy Pebworth avy amin’ny fiangonan’Andriamanitra Miray sy Pastera Mailhol mpitarika ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT