Finoana

Pastera Mailhol “Hahazo vahana maneran-tany ny loza sy ny aretina…”


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Ho henjankenjana ity taona 2019 ity raha araka ny fanazavan’ny pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy, omaly.

 

Noho ny fivadihan’ny olona amin’Andriamanitra mantsy dia hahazo vahana ny loza maro samihafa  sy ny areti-mandringana tsy hijanona eto Madagasikara ihany fa maneran-tany mihitsy.  Loza fito efa voalaza ao amin’ny bokin’ny Apokalipsy 15 : 16 izy ireo arahin’ny  hetsika  fanonganam-panjakana  amina firenena samihafa. Ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany noho izany no vahaolana,  hoy hatrany ny pastera Mailhol hisian’ny fiarovana ny tsirairay. Mikasika ny fisian’ny fanjakana mijoro ankehitriny dia nambarany fa ny famahana ny resaka fandriampahalemana, ny fampidinana ny vidim-bary sy ny solika, ny vidin’ny JIRAMA, ny ady amin’ny kolikoly ary ny famerenana ny tanin’ny gasy lasan’ireo vahiny no tena andrasany amin’ny mpitondra izay tena iarahany tanteraka amin’ny vahoaka madinika rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT