Finoana

Pastera Lala Rasendrahasina " Tsy sandaina vola ny fifidianan'Andriamanitra"


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

Anisan’ireo synodista niatrika ny Synoda lehibe faha XIX tany Sambava ny Pastera Lala Haja Rasendrahasina, efa avy filohan’ny FJKM ary mbola anisan’ireo voafidy ho mpiandraikitra foibe indray.Nisy ny tafa fohy nifanaovana taminy.


Tia Tanindrazana: Mbola lany ho mpiandraikitra foibe ianao nandritra ny SL faha XIX. Inona no tena nanosika anao hirotsaka ho fidiana indray ho MF sy BMF?
Pastera Lala Haja Rasendrahasina: Isaorana Andriamanitra fa na dia teo aza ny lalan-tsarotra sy sakantsakana ataon'ny devoly dia mbola nofidiny sy nitokisany ny tenanay ka manohy mandritra ny efatra taona indray ny Fitondrana ny Fjkm amin'ny alalan'ny maha-Mpiandraikitra Foibe. Tena fahasoavana sy famindram-po izany ka tsy takatry ny saina. Antso sy fifidianan'Andriamanitra ny ato amin'ny Fiangonana ka tsy sandaina vola na endrika tosika samihafa.
TT: Aparitaka ankehitriny ny vaovao fa misy mpanao politika aorianao ary mikendry ny hiverina hitantana indray ny FJKM ianareo.
Pst LHR: Ny fitiavana ny Fiangonan'i Kristy no manosika anay noho ny fahitana fa maro ny ilaina hahitsy sy haverina amin'ny laoniny ary hatsaraina. Manana ny fitantanany sy fitondrany ny Fiangonana ary mahaleotena amin' izany. Tsy misy idiran'ny mpanao politika izany. Samy manana ny safidiny sy ny heviny ny mpino tsirairay ao amin'ny Fiangonana fa ny iraisana sy mampiray dia Kristy. Andriamanitra no Tompon'ny Fiangonana ary Jesoa no Lohany. Andriamanitra irery no manohana sy momba ny olony; hevitra ratsy izay ankoatra izany.
TT: Inona no heverinao fa dingana hirosoan'ny FJKM hampandrosoana hatrany ny asan'Andriamanitra.
Pst LHR: Andriamanitra no mametraka eo amin'ny toerany ny Mpitondra ny Fiangonany. Very maina ny fikasana sy ny ezaka raha tsy izany. Mila mizotra amin'ny fahamarinana sy ny mangarahara ary ny fahatsarana rehetra ny Fjkm ary miaina tokoa ny finoany mba hahazoany manohitra ny fanenjehana.
TT: Iharan'ny fanenjehana mavaivay amin'ny fomba an-kolaka ny kristiana ankehitriny. Inona no tokony andraikitra raisin'ny Fiangonana?
Pst LHR: Ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka dia tsy maintsy misy raha vao mijoro amin'ny fahamarinana ny Fiangonana sy ny mpitondra fivavahana. Ny olona madio no hosorana fotaka hoy ilay mpitondra faritany malaza iray tamin'ny Repoblika faharoa. Adidin'ny kristiana tsirairay ny mitondra am-bavaka ihany koa ireo mpanenjika azy sy ireo fahavalony.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT