Finoana

Pastera Lala Rasendrahasina Nosakanana tsy hihaona tamin’Atoa Marc Ravalomanana


  • Talata 21 Oktobra 2014

Roa andro tany Antsiranana ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), Lala Rasendrahasina, mpitandrina, nikasa hitsidika sy hampahery ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha lefitry ny FJKM

Atoa Marc Ravalomanana amin’izao fisedrana mahazo azy izao, saingy niveri-maina, tsy tanteraka izany. Nataon’ny mpitondra ny fomba rehetra tsy nahafahan’ny roa tonta nihaona. Tamin’ny sabotsy ny filohan’ny FJKM no efa tonga tany Antsiranana. Ny alahady dia nisy ny fihaonany tamin’ny lehiben’ny Faritra DIANA, izay solontenam-panjakana any an-toerana ny amin’ny anton-diany any saingy nazava ny valinteny fa tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana manokana avy amin’ny filohan’ny Repoblika (?) vao afaka mitsidika an’Atoa Marc Ravalomanana. Tsy tanteraka mihitsy ny fitsidihana hatramin’ny omaly tolakandro nialany tany Antsiranana.

Voasakana ihany koa

Tsiahivina fa voasakana tahaka izao ihany koa ny Pastera Lala Haja Rasendrahasina raha nikasa ny hitsidika sy hampahery an’ireo manamboninahitra nigadra teny Tsiafahy tamin’ny faramparan’ny volana janoary 2011. «Noho ny fandaminana amin’ny famangiana», no nambaran’ireo mpiandry ny fonja tamin’izay fa antony. Nanam-pikasana ny hitsidika manokana an’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina izy tamin’izay noho ny toe-javatra mampifandray azy ireo tamin’ny andron’ny 17 martsa 2009.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT