Nanamafy ny pastera Lala Haja Rasendrahasina filohan’ny Fjkm no sady filoha mitarika ny FFKM amin’izao fotoana fa nisy tokoa ny fangatahan’ny CNOSC fihaonana tamin’ireo raiamandreny am-panahy efatra mirahalahy ao amin’ny fiombonan’ny faingonana kristianina eto Madagasikara, nandritra ilay fivoriambe notanterahana tany Toliara farany teo.
Tsy nitsipaka ny fiangaviana izahay, hoy ny filohan’ny FFKM ary dia nihaona sy niresaka tamin’ireo solotenan’ny CNOSC tonga tany an-toerana, ka manodidina ny famahana ny krizy ny resaka. Hoy indrindra ny pastera Lala Rasendrahasina : «Niangavy ny hihaona taminay ry zareo avy ao amin’ny CNOSC mba hanontany anay sao dia mba misy ny anjara biriky tokony hoentinay filoham-piangonana efatra mirahalahy amin’ny asa fanelanelanana sy famahana ny krizy misy eto amin’ny firenena. Tsy nitsipaka izany izahay ary dia raikitra tokoa ny fihaonana tany Toliara. Nihaino ny fanazavan-kevitry ny CNOSC izahay fa tsy mbola nanapa-kevitra mihitsy satria hisy ny fihaonana hafa eo aminay filoham-piangonana efatra mirahalahy amin’ny fotoana manaraka, mba handinihana ny zavatra azon’ny FFKM atao». Nanamafy anefa ity filoha am-perinasan’ny FFKM ity fa tena mbola samy sahirana sy voatazona amin’ny raharaham-piangonany avy miampy ireo fitsidiham-paritra maro samihafa ny mpitantana ao amin’ny FFKM, indrindra fa amin’izao andron’ny noely izao, ka mety tsy mbola ho amin’ity taona ity mihitsy no hotanterahana io fivorian’ny FFKM handinihana ny hidirany na tsia amin’ny sehatry ny fanelanelanana ao anatin’izao krizy politika izao.
Raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny fahitany ny asa fanelanelanana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC kosa ny pastera Lala Rasendrahasina dia nanambara fa samy manana ny solomaso ijereny ity tranga ity ny tsirairay avy, tsy tokony hohadinoina anefa, hoy izy fa tsy azon’i Madagasikara atao mihitsy izany hoe mitoka-monina ka tsy hifandray sy tsy hiara-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Tsy misy maharatsy mihitsy ny mihaino sy mandray ny soso-kevitry ny vahiny, hoy ihany izy nanohy ny fanazavany, saingy tsy voatery hoe tsy maintsy ekentsika amin’ny ambongadiny izany ka tsy maintsy ampiharina, satria manana ny fahaizany sy ny fahalalany ihany koa ny Malagasy ary mahafantatra tsara ny olana mianjady aminy sy ny vahaolana mifanandrify amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.