Finoana

Pastera Jocelyn Ranjarison Hivavaka ho an’ny isam-pianakaviana


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

“Vavaka sy fiderana”, no lohahevitr’ilay hetsika izay hotontosain’ny pastera Jocelyn Ranjarison, filoha mpanorina ny fiangonana Les Messagers Radio Evangelique eny amin’ny kianjan’Alarobia ny Alakamisy 02 jona ho avy io manomboka amin’ny 08 ora maraina.

 Vavaka sy  fiderana izay manana tanjona hanetsika an’Andriamanitra hanao zavatra eo amin’ny fiainan’ny olona izay tsy hijanona amin’io andro io ihany fa amin’ny andro rehetra sisa hiainan’ny mpanatrika mihitsy. Nahazatra ny rehetra hatramin’izay ny vavaka an-tendrombohitra sy ny fiderana ranoray fotsiny ihany. Nampiarahina ireo roa ireo tamin’ity taona ity araka ny fanazavan’ny pastera ihany mba hisy fiantraikany manokana amin’ny fiainan’ny olona. Olona manodidina ny 25.000 isa no andrasana amin’izany,  miankina amin’ny halehiben’ny toerana. Vavaka ho an’ny isam-pianakaviana no tena hibahan-toerana mandritra izany mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny firenena. Ity no hetsika “Vavaka sy fiderana” andiany voalohany raha tsiahivina, ezahina ho tonga ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny volana aogositra ho avy io.

 

Pati

 

sary : Pastera Jocelyn Ranjarison, filoha mpanorina ny fiangonana MRE

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT