Finoana

Pastera Irako Ammi mivady 10 taona nitandremana tao amin’ny Fjkm Androndra


  • Alarobia 24 Jona 2015

Mankalaza ny faha-30 taona naha mpitandrina azy ny pastera Irako Andriamahazosoa Ammi mivady ankehitriny. Toraka izany koa ny fahafolo taona nitandremana teny anivon’ny Fjkm Androndra Fahasoavana

 

. Zava-dehibe ho an’ny fiainan’ny fiangonana izany, antony  nanomanan’ny komity mpikarakara hetsika manokana izay  hosokafana ny 28 jona ho avy izao. Fotoam-pivavahana lehibe manomboka amin’ny 9 ora maraina hotontosaina etsy Antsahamanitra no hisantaran’izy ireo izany, arahina gala evangelika hiarahana amin’i Bodo sy Joseph d’Af manomboka amin’ny 1 ora folakandro. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny kaonferansa lehibe  mitondra ny lohateny hoe : « Jesoa Kristy, fomba fisainana vaovao » izay hiarahana amin’i pastera Ammi ihany. Mbola hitohy ny 2 sy ny 3 Jolay izany ao amin’ny Fjkm Analakely samy hanatanterahana kaonferansa lehibe avokoa toy ny hoe : tsy ny hahasambatra no anton’ny fiainana eto an-tany fa ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny hoe : didy lehibe fahatelo ny hitiavana ny tena. Lohahevitra nosafidian’izy ireo hanamarihana izao lanonana roa sosona izao moa ny hoe : « Fa tsy ny tenanay no torianay fa Kristy Tompo ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa ».

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT