Finoana

Pastera Heritiana « Vao mainka hihamafy ny fiainana amin’ny 2023 »


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny amin’ny hasarotan’ny fiainana ny isan-tokantrano. Na ny mpanambola aza mitaraina ho sahirana vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana.

Vao mainka hihamafy anefa ny fiainana raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Hanomboka amin’io taona vaovao 2023 ho avy io izany hoy izy hitohy amin’ny taona 2024. Ankoatra ilay tenin’Andriamanitra izay milaza mantsy hoy izy fa miharatsy izao fiainana izao dia efa misy ihany koa ilay système apetraky ny sasany entina hampisarahana ny mpanam-bola sy ny mahantra ka izay mahantra dia hihahantra hatrany ary izay mpanam-bola kosa dia hihanam-bola hatrany. Izay tsy miankina amin’Andriamanitra no very vokatr’izany hoy hatrany Pastera Heritiana. Ao amin’Andriamanitra ihany mantsy hoy izy no misy fanafahana sy vahaolana ho an’ny fiainantsika zanak’olombelona.
Pati
Legende : Misy ny « système » apetraky ny sasany entina hampisarahana ny mpanam-bola sy ny mahantra, hoy ny Pastera Heritiana Randriarimalala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT