Finoana

Pastera Heritiana “Vao mainka hampitombo ny fahotan’ny olona io ITG io”


  • Zoma 10 Jona 2022

Mbola hifandroritana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza hatramin’izao ny mety ho fandinihana ilay lalàna momba ny ITG na ny fanalan-jaza.

Misy amin’ireo solombavambahoaka mantsy no mitaky ny handaniana azy io raha misy ihany koa ny mitaky ny tsy hiresahana akory azy. Naneho ny heviny mikasika izany Pastera Randriarimalala Heritiana, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fiangonana Vahao ny oloko omaly ka nambarany fa vao mainka hampitombo ny fahotana sy ny adalan’ny zanak’olombelona ny fandaniana io lalana io. Ny fanalan-jaza mantsy raha araka ny fazavany dia fahotana izay mitovy amin’ny fijangajangana sy ny namany ihany. Na misy na tsy misy anefa ny lalàna mikasika izany eto amintsika dia efa nanala zaza foana ny olona. Tsy mbola nisy rahateo hoy izy ny vaovao re fa nisy vehivavy nanala zaza dia nigadra ary na nisy aza izany dia 1 tao anatin’ny 1.000 isa. Mety tsy hampiteraka ilay Renim-pianakaviana na vehivavy intsony anefa ny fanalan-jaza hoy hatrany pastera rehefa tena tafiditra ao anatin’ny tokantrano izy na koa tratry ny aretin’ny homamiadana. Mikasika ireo tovovavy na vehivavy voaolana ka bevohoka moa dia nomarihin’ny pastera fa raha tena voataiza araka ny sitrapon’Andriamanitra ny vehivavy iray dia tsy mitarika fakam-panahy ho an’ny hafa izany no sady misy fiarovana hatrany ka tsy tokony ho tratry ny fanolanana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT