Finoana

Pastera Heritiana - Vahao ny Oloko “Mpandamina izahay fa tsy mpanakorontana”


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Mpandamina izahay fa tsy mpanakorontana araka ny fanenjehan’ireo tsy tia, hoy ny pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny fiangonana Vahao ny oloko eto Madagasikara.

 

Antony tsy maintsy hivavahan’izy ireo tsy mitsahatra, indrindra amin’ny andavanandro ny hanampiana ireo olona tojo olona maro samihafa toy ny vehivavy narian’ny vadiny na hiharan’ny herisetra, ireo manana olana ara-tokantrano, ireo tsy salama asa izay tsy maintsy ampiana sy tohanana am-bavaka hiarovana azy tsy hamoifo. Ankoatra izay, efa trano notapenana ny varavarana, tsy misy afa-tsy bafla kely roa tao amin’ilay fiangonana vahao ny oloko teny Tanjombato Samaf izay nakatona nefa dia nolazaina fa nanakorontana tokantrano miisa 400. Izay no marina, hoy pastera Heritiana Randriarimalala ary afaka mijery izany mivantana ny mpanao gazety. Nitondra am-bavaka ny firenena tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ity fiangonana iray ity ny sabotsy teo. Ankoatra izay dia nankalaza ny faha-20 taona nanosorana ny Raiamandreny mpitandro Heritiana Randriarimalala mivady ihany koa izy ireo, notronin’ireo mpino Kristiana marobe avy amin’ny fiangonany sy ny fiangonana hafa. Kristianina matotra, mandray ny anjara lovany, no lohahevitra novoaboasana tamin’izany. Raha tsiahivina kely dia tamin’ny taona 1979 no niorina ny fiangonana Vahao ny oloko. Tany Toamasina no nipoiran’io anarana io voalohany ary efa mielipatrana manerana ny fokontany sy kaominina maro izy ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT