Finoana

Pastera Heritiana – Vahao ny Oloko « Ilaina ny toriteny mahitsy ho amin’ny fahamarinana »


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Anisan’ny resabe mbola mitana ny sain’ny maro hatreto ny fisian’ilay toriteny teny amin’ny Coliseum Antsonjombe

tamin’ny Alahady teo nandritra ny fihaonamben’ireo mpino FJKM ka nankarary fo mafy ireo izay nahatsapa tena ho voatsindrona tamin’izany. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko omaly ka nambarany fa ilaina ny toriteny mahitsy ho amin’ny fahamarinana. Voasoratra ao anaty Baiboly mihitsy izany raha araka ny nambarany araka ny voalaza hoe : ny soratra masina nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia natao ho fampandrosoana, hanitsiana ny diso ary ilazana ny marina. Na izany aza anefa hoy pastera Heritiana dia azo hatao tsara ny mitory tena ao anaty fahendrena tsy manafintohina ny hafa. Ho azy manokana rehefa mitory tena raha araka ny fanazavany dia tsy ora iray no hanomanany izany na ora roa fa dimy andro mihitsy. Tsy maintsy mangataka ny fanahy masina mandritra izany raha araka ny fanazavany mba ho voakasika ihany koa ireo olona mihaino ary hahay hanitsy ny diany na hanaiky ny tsy fahamarinana nataony raha toa ka hiantefan’izany. Samy manana ny fahatsapany sy ny fandraisany ny zavatra lazaina mantsy hoy izy ny olona tsirairay ka ny tena manahirana dia raha sendra olona na mpanao politika tsy mivavaka. Notsiahiviny manokana moa fa azo hatao tsara ny manao sasinteny, miresaka politika, raharaham-pirenena rehefa mitory tena saingy ilana fahendrena be izany mba tsy hanafintohina ny hafa.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT