Finoana

Pastera Heritiana « Tsy tokony hisaraka amin’Andriamanitra na miala sasatra aza »


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Feno loza ny tany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, filohan’ny trano fivavahana Vahao ny oloko.

Tsy azo hiodivirana ihany koa ny fahafatesana hoy izy fa na dia eo am-pandriana aza rehefa ho avy izy dia tonga. Samy tsy misy azo sakanana ireo rehetra ireo hoy pastera Heritiana indrindra ao anatin’izao vakansy lehibe izao. Raha tsiahivina mantsy dia nanao ranolava tato ho ato ny fisian’ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy sy teroa. Misy ihany koa ireo mamoy ny ainy eny am-pandehanana….Tsy misy afa-tsy ny fiarahana amin’Andriamanitra ihany hoy pastera Heritiana no vahaolana hisian’ny fiarovana. Na manao vakansy hoy izy, na miasa na ao an-trano dia tokony hisy an’Andriamanitra hatrany ny fiainana. Mikasika ilay fari-dranomasina ao Mahajanga mamono olona matetika dia nomarihiny manokana fa toerana misy fanahy hafahafa izy io. Saika eo amin’io rano io avokoa mantsy no miantso fanahy ireo mpanao fomban-drazana any amin’iny faritra iny. Ho an’ireo mpino ampy vavaka tsara dia notsindriany fa tsy tokony hatahotra izany. Rehefa tsy ampy vavaka kosa anefa hoy izy dia tsy tokony hitsapatsapa fa sao hampidi-doza.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT