Finoana

Pastera Heritiana « Tsy mahasoa ny harena azo avy amin’ny tsy fahamarinana »


  • Zoma 15 Jolay 2022

Tsy mahasoa ny harena azo avy amin’ny tsy fahamarinana hoy pastera Heritiana Randriarimalala. Mihasarotra mantsy ny fiainana hoy izy, miakatra avokoa ny vidim-piainana ka tsy vitsy ireo lasa manaotao foana sy mamoy fo.

Anisan’ny nohazavainy manokana fa fomba telo karazana no ahitan’ny olona vola amin’izao. Voalohany ny heriny sy ny tanjany ary ny diplaomany, faharoa ny resaka halatra ary fahatelo sady farany dia ny fiankinana amin’Andriamanitra. Misy olona feno hery sy be diplaoma mantsy hoy izy nefa tsy tafavoaka amin’ny fiainana. Misy kosa anefa olona tena sahirana, tsy manana diplaoma saingy rehefa miankina amin’Andriamanitra dia tafita. Ilay asa fivelomana hataonao iny hoy izy no tahian’Andriamanitra ary hanambinany anao. Miantso ny rehetra mba tsy hataotao foana araka izany pastera Heritiana na dia sarotra aza ny fiainana. Tsy mahasoa akory hoy izy ny harena azo avy amin’ny tsy fahamarinana. Notsiahiviny manokana moa fa tena hihinanan-kanina ny fivavahana. Manasitrana ny fivavahana hoy izy, manangana fiainana ihany koa no sady hahazoana fitahiana.
Pati
Legende: Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT