Finoana

Pastera Heritiana « Tsy fotoana tokony hanaovana adalana ny fety »


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Afaka andro vitsivitsy maromaro sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ny rehetra.

Samy manana ny fomba fijeriny momba izany ny tsirairay amin’ny ankapobeny. Ao ireo mihevitra fa ny fihinanana sakafo hanim-pito loha sy ny fanaovana akanjo vaovao no hatao hoe : fety. Ao koa anefa ireo mihevitra fa ny fijangajangana amin’ny alalan’ny filalaovana vehivavy sy ny fimamonoana no hatao hoe : fety….Rehefa nanontaniana ny mikasika izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko dia nambarany fa tsy misy mahadiso ny manao fety mihitsy. Notsindriany mafy kosa anefa fa tsy fotoana tokony fanaovana adalana ny fotoanan’ny andro fety. Raha amin’iny fotoana iny mantsy no mamoy ny ainy tampoka ohatra ny olona iray raha araka ny fanazavany dia avy hatrany dia very tsy misy indrafo. Maromaro ihany mantsy ireo tranga miseho rehefa fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona tahaka izao toy ny fisian’ireo olona mamo tampoka ka mamoy ny ainy mihitsy ny sasany….Hafatra hampitain’ny pastera Heritiana amin’ny rehetra araka izany ny tokony hahaizana mifety ao anatin’ny fitoniana sy ny fatahorana an’Andriamanitra. Ny fiainana ao amin’Andriamanitra ihany hoy izy no tena azo hitokisana sy misy hihafarana.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT