Tena ilaina ny mianatra hoy pastera Heritiana Randriarimalala izay sady mampahery ihany ireo ankizy sy tanora mbola tsy maintsy hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny BEPC sy ny Bakalorea.
Rehefa mianatra anefa ka sanatria tojo tsy fahombiazana hoy izy dia tsy tokony hamoy fo indrindra rehefa nametraka ny fiainana teo am-pelatanan’Andriamanitra. Misy amin’ireo olona tena nianatra be, be diplaoma mantsy hoy izy no tsy tafavoaka amin’ny fiainana. Misy koa anefa hoy izy ireo tsy nianatra firy akory noho ny antony maro samihafa ary tsy manana diplaoma nefa lasa mibaiko ireo be diplaoma be. Raha fehezina hoy izy dia ny fiainana mifamatotra amin’Andriamanitra ihany no hahazoana fahombiazana. Manana ny hevitra hiheverana ny tsirairay hatrany Andriamanitra hoy hatrany izy ary tsy mbola nanary ireo nitoky taminy. Mamporisika ny ankizy sy ny tanora mba hianatra tsara araka izany pastera Heritiana raha mbola afaka manao izany mba hahazoana diplaoma. Fahendrena ambony indrindra kosa anefa hoy izy ny tsy tokony hianteherana amin’izany fahaizana izany fa amin’Andriamanitra irery ihany mba ho voafaritra mazava ny lalana tokony aleha amin’ny ho avy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.