PASTERA HERITIANA

Ny olona mandinika amin’ny saina no lasa lavitra


  • Zoma 15 Novambra 2024

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy miseho eny anivon’ny fiaraha-monina izay

hitantsika isan’andro eny Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano Fivavahana Vahao ny oloko. Anisan’izany ny hatezerana diso tafahoatra ka manosika ny sasany hamono hahafaty ny zanany naterany na ny taolan-tehezany mihitsy. Toraka izany koa ireo mamotika sy manimba fananan’olona noho ny antony maro samihafa….Nambarany fa antony manimba fiainan’olona maro lasa any am-ponja ny hatezerana tsy voafehy tahaka izany. Izay mandinika amin’ny saina mantsy no lasa lavitra hoy Pastera Heritiana. Notsiahiviny fa hankona tanteraka ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Te-hitomany sy hitroatra saingy tsy afa-manoatra. Tsy misy afa-tsy ao amin’Andriamanitra ihany no vahaolana hoy hatrany izy fa tsy ny fitabatabana amin’ny tambajotran-tserasera Facebook sy ny fitarainana etsy sy eroa na ny fanaotaovam-poana ateraky ny hatezerana….
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT