Finoana

Pastera Heritiana « Ny fivavahana ihany no hahafana manohitra ny fijangajangana »


  • Talata 15 Febroary 2022

Fetin’ny fijangajangana ny fetin’ny mpifankatia izay nankalazaina omaly alatsinainy 14 febroary ho an’ny sasany ka ahiana hamotika fiainan’olona maro.

Naneho hevitra mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko omaly. Nambarany nandritra izany fa rafitra iray efa entin’ny satana hifehezana izao tontolo izao ny resaka fijangajangana ankehitriny. Voakasika avokoa na ireo efa manam-bady na ireo tanora vao herotrerony hoy hatrany izy. Tokony hitandrina ny rehetra araka izany hoy ity raiamandreny ara-panahy ity indrindra fa isika Ray aman-dReny. Tsy voafehy sy voataiza amin’io resaka fijangajangana io mantsy ny tanora hoy pastera raha tsy ao anatin’ny fivavahana irery ihany. Manana andraikitra goavana amin’izany ny fiangonana hoy hatrany pastera Heritiana amin’ny alalan’ny fizarana sy ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra. Ankoatra izay dia nasian’ity pastera ity teny ihany koa ny mikasika ny tambajotran-tserasera facebook izay tena mahazo vahana sy manjaka tokoa eto amintsika. Ilana fitandremana ihany koa ny fampiasana azy io hoy pastera mba tsy ho sanatria lasa fitaovana hanimban’ny tanora ny tenany sy ny ho aviny.
Pati
Legende : Pastera Heritiana, miantso ny Ray aman-dReniny mba hitaiza ireo menaky ny ainy amin’ny fihavanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT