PASTERA HERITIANA

"Mitaky sorona io resaka fanamboarana vintana io"


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo mpanamboatra

vintana ireny amin’izao noho ny fahasahiranana. Toraka izany koa ireo karazana mpitsabo mipoipoitra na tera-tany vahiny na Malagasy izay samy milaza azy ho mahay zavatra avokoa ary afaka mampanan-karena na mampiova fiainana avy hatrany. Mitaky sorona hatrany anefa ny fanaovana izany raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Mety hety izy eny am-piandohana toy ny hoe : mahavita trano, mandeha tsara ny varotra saingy mety ho tratry ny AVC tampoka ilay olona avy eo. Io ilay sorona raha araka ny fanazavany. Mety hahazo volabe ihany koa saingy may ny trano… Hafa kosa anefa ny ao amin’Andriamanitra. Rehefa mahatsiaro tena ho ratsy vintana ny olona iray na tsy mety avokoa izay rehetra hataony dia hametrahan-tanana sy hanaovana asa fanafahana izy dia milamina ny fiainany. Tsy mila sorona Andriamanitra hoy Pastera fa mety ho azon’iny olona iny hatramin’izay zavatra tsy nangatahiny akory aza rehefa mino izy.
Pati
Legende : Mamporisika ny olona hivavaka hatrany Pastera Heritiana Randriarimalala !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT