Finoana

Pastera Heritiana “Mila mandray fepetra hentitra ny fanjakana…”


  • Zoma 03 Jona 2022

Maromaro ireo tovovavy very sy nanjavona tato ho ato teto an-drenivohitra. Saika manodidina ny 20 taona eo ho eo avokoa izy ireny,

tranga izay lasa mampirohoroho sy manakorontan-tsaina ny mponina tokoa. Raha araka ny feo mandeha dia toa misy amin’ireny mpangalatr’olona ireny no mikitika dia manaraka ho azy ilay olona na koa mody mampiresaka sy manontany ora. Ho an’ny pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko dia nambarany fa asan-devoly avokoa ireny. Mitovy amin’ny ambalavelona ihany izy ireny raha araka ny fanazavany ary zazavavy no betsaka voany. Fanahy ratsy hafafy ireny hoy hatrany izy, herin’ny maizina ezahina haparitaka mba hahafahana milalao ny fanahin’ireo olona lasibatra. Ny vavaka ihany araka izany no vahaolana hahafahana mandresy izany hoy hatrany Pastera Heritiana. Ny saintsika sy ny vatantsika hoy izy no azontsika arovana fa ny fanahintsika kosa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no afaka miaro azy. Rehefa ampy vavaka ny olona iray hoy hatrany izy dia tsy tokony hovoakasik’izany. Nomarihiny manokana moa fa tokony ho saron’ny mpitandro ny filaminana ireny mpangalatra olona ireny. Efa nisy moa ny fanambarana nataon’ny polisim-pirenena omaly saingy na izany aza dia miantso ny Fitondram-panjakana mba handray fepetra hentitra pastera Heritiana. Nampahatsiahy ny rehetra izy fa miharatsy izao fiainana izao ary vao mainka mizotra mankany amin’ny ratsy hatrany aza noho izany mila mivavaka mafy ny tsirairay mba hananany fitoniana sy fiainana milamina.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny olokoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT