Finoana

Pastera Heritiana « Mbola hisy zavatra goavambe hiseho eto Madagasikara »


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Namiratra teo amin’ny sehatry ny fifaninana natao tany ivelany hatrany isika eto Madagasikara tato ho ato.

Anisan’ny nanamarika izany farany teo ny fandresen’i Anisha ilay tovovavy kely vao 22 taona nibata ny amboara tamin’ilay fifaninanan-kira nokarakarain’ny TFI. Naneho ny heviny mikasika izany pastera Heritiana Randriarimalala ka nambarany fa mbola hisy zavatra goavambe hiseho aza eto Madagasikara ary mety hampitsombadika ny tantaran’izao tontolo izao mihitsy. Taranaka voafidy ny Malagasy hoy izy. Ankoatra ny fananantsika talenta sy ny fahaiza-manao mantsy hoy pastera Heritiana dia tsy azo hodiantsy hita ny fisian’ireo Kristiana marobe mivavaka andro aman’alina ho an’ny firenena. Toraka izany koa ireo miezaka hatrany manao ny asan’Andriamanitra hoy izy satra ny fiainana dia ara-panahy. Mikasika io zavatra goavambe hiseho eto Madagasikara io dia nomarihiny fa tsy hijanona eo amin’ny sehatry ny toe-karena ihany fa ho voakasika ihany koa ny resaka sosialy, ny kolontsaina ary indrindra ny fifohazam-panahy izay ho avy amin’ny isam-batan’olona.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT