PASTERA HERITIANA

Mamporisika ny mpino hanao politika


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Kivy ny ankamaroan’ny olona manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amintsika.

Saika variana amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-pahefana ary ny fiadivan-tseza avokoa mantsy ny ankamaroan’ny mpanao politika Malagasy fa tsy misy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka. Antony hamporisihin’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano Fivavahana Vahao ny Oloko ny Kristianina rehetra, indrindra fa mpino ao aminy hanao politika izany. Ireo tena Kristianina marina voky fampianarana mantsy no nambarany fa afaka hahafehy io fitiavan-tena sy fitiavam-pahefana io ary hampanjaka ny marina eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny mampalahelo hoy hatrany izy dia izay mahazo fahefana tsy te-hiala amin’ny toerany ary ireo tsy nahazo te-handrombaka izany. Misy koa hoy izy ireo tsy manaiky resy rehefa resy fa mbola mitady hirika hatrany nefa ny safidim-bahoaka no tokony hampanjakaina….Ho an’ny fiangonana Vahao ny Oloko izay tarihiny manokana moa dia nomarihiny fa efa nanana mpino nilatsaka hofidiana ho Solombavambahoaka izy ireo. Mbola manana kandida hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanana sy ny mpanolontsaina ihany koa izy ireo amin’ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao, izay nambarany fa azony antenaina sy handrandraina amin’ny fampiharana ny fahamarinana sy ny fitsinjovana ny vahoaka marina.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, manantena ny hisian’ny mpitantana tena marina eto amin’ny firenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT