Finoana

Pastera Heritiana “Mampilentika firenena ny vavaka mihatsaravelatsihy”


  • Talata 05 Aprily 2022

Mandeha ny feo eny anivon’ ny fiaraha-monina fa arakaraky ny mahabetsaka ny fiangonana miorina etsy sy eroa eto amintsika no vao mainka mampilentika ny firenena sy mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana.

 Naneho ny heviny mikasika izany pastera Heritiana Randriarimalala eo anivon’ny fiangonana Vahao ny oloko omaly ka nambarany fa antony roa lehibe no mahatonga izany. Voalohany hoy izy na maro aza ny mpivavaka tonga mamonjy ireny trano fivavahana ireny dia mbola marobe ihany koa ny tsy mpivavaka. Mbola marobe hoy izy ny bara, ny toeram-pilokana, ny hotely fijangajanga ary ny toeram-pilanonana fanaovana hadalana. Betsaka ny fiangonana hoy izy fa betsaka ihany koa ny mpivarotra rongony sy toaka, antony mampahazo vahana ny tsy fampiandrahalemana eto amintsika. Faharoa dia notsipihiny fa na misy aza ny mpivavaka dia misy ihany koa ireo mpivavaka mpihatsaravelatsihy. Hafeniny ao ambadiky ny fandehanany any am-piangonana hoy izy ny ratsy hataony. Farany izay tsy kely akory dia notsindrian’ny pastera Heritiana fa misy amin’ireo mpanao politika sasany ihany koa no mody miafina ao ambadiky ny fivavahana hanafenany ny ratsy hataony. Antony tena mampilentika ny firenena ireo hoy izy fa raha tena mivavaka sy madio fo ny tsirairay dia ho voavaha haingana izany.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT