PASTERA HERITIANA

Maika ny fikarakarana


  • Alatsinainy 17 Novambra 2025

ny fikaonandoham-pirenena

Toerana tena sarotra izao misy an'i Madagasikara izao hoy Pastera Heritiana Randriarimalala. Tsy mora ny mahazo ny mpitondra hoy izy fa toy ny mandeha eo ambony atody araka ny fanazavan'ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël. Tsy tokony hisy araka izany hoy izy ny fanomezan-tsiny atsy sy aroa, indrindra manoloana ny fanalana sefom-pokontany...ary ny fisavana satria mbola miparitaka ilay fahefam-panjakana. Mbola ao anatin'ny famoahany ny alahelony sy ny marary azy ihany koa ny tsirairay hoy hatrany izy na dia efa tena miezaka aza ny Fitondram-panjakana. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hanatontosana maika ny fikaonan-doham-pirenena tarihin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM. Ilaina ny raiamandreny tohon-teny tahaka ireny raha ny nambarany. Tanjona amin'izany moa ny mba hahafahana mamondrona ny hery velona rehetra eto amin'ny tany sy ny Firenena hanome ny heviny hahafahana mitondra sy mandamina ny fiainam-pirenena.Ho an'ny Pastera Heritiana sy ireo mpino ao aminy manokana dia ny mitondra am-bavaka ny Firenena no tena ady hilofosan'izy ireo amin'izao.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT