Finoana

Pastera Heritiana « Aza manambady vola na laza fa manambadia toetra »


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Tsy vola, tsy harena, tsy laza, tsy voninahitra fa toetra no tokony hanambadian’ny lehilahy na vehivavy iray ny olon-tiany.

Antony mampirongatra ny fifamonoan’ny mpivady amin’izao fotoana ny tsy fahafantarana izany hoy pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Toraka izany ihany koa hoy izy ny haratsian’ny fiainana izay tsy mitsahatra mihalalina hatrany. Rehefa variana amin’ny vola sy ny harenan’ny olona iray tiaviny mantsy ny vehivavy na lehilahy iray hoy hatrany pastera Heritiana dia tsy mahita ny tena toetran’ilay olona intsony. Rehefa tafaraka elaela ao anatin’ny tokantrano ny olon-droa vao hita fa mpamono vady ralehilahy ohatra hoy hatrany izy na mpampirafy ravehivavy ka raikitra amin’izay ny fifamonoana. Mikasika itsy voalohany manokana dia nomarihiny fa misy lehilahy efa mikoriana any anaty rany mihitsy ny famonoana vehivavy. Efa voafatotra ihany koa ny fanahiny hoy pastera ka tsy mety raha tsy mandratra olona. Tsy misy fomba hahafahana manafaka azy ireny afa-tsy ny vavaka ihany anefa hoy izy raha toraka izay ihany koa ny fangatahana fahendrena.
Pati
Legende : Randriarimalala Heritiana, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT