PASTERA HERITIANA

« Antony ara-pitaizana, asan-devoly no mampirongatra ny fanolanana »


  • Zoma 08 Martsa 2024

Mihamahazo vahana hatrany ny fanolanana eto amintsika.

Ankoatra ny vehivavy lehibe dia lasibatra hatrany ny zazavavikely izay tena mampivarahontsana tokoa. Tsy vitsy ireo mametra-panontaniana ny amin’ny antony mety mahatonga izany izay novohabohasan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Nambarany tamin’izany fa antony maro no mahatonga izany e. Voalohany dia ilay fiaraha-monina eto Madagasikara diso mifampitakosina loatra. Efitrano iray no hatorian’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka, ohatra. Faharoa ny resaka fitaizana. Tsy ilay fahendrena Malagasy intsony no mitaiza ny olona ankehitriny hoy izy fa ny tambajotran-tserasera Facebook, ny horonan-tsary mihetsika mamoafady izay azo jerena isak’izay mahatsiaro ao anaty finday fa tsy toy ny taloha intsony, antony mampihetsika ny filana. Fahatelo hoy hatrany Pastera Heritiana dia ilay asan-devoly. Eo ilay filana hoy izy fa fafan’ny devoly ao an-tsain’ny olona mihitsy ny loza mety hateraky ny fanolanana hataony eo amin’ny fiainany. Ilay nahafinaritra hatrany no hamporisihiny ny olona hoy hatrany Pastera ka tsy mahatsapa izany ilay mpanolana raha tsy efa voa. Farany moa izay tsy kely akory dia nomarihin’ny Pastera Heritiana Randriarimalala fa mifandray amin’ny tontolon’ny fanahy be dia be ny resaka fanolanana. Izay zavatra resahina sy handrarana ny olona ihany no hamporisihin’ny devoly hoataony antony mampirongatra azy io. Tsy misy afa-tsy ny vavaka ihany araka izany hoy Pastera Heritiana no hahafahana miady amin’ny fakam-panahy mahery vaika tahaka ny fanolanana.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala miantso ny rehetra mba hivavaka hahafahana manohitra ny fakam-panahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT