Finoana

Pastera Fidiarimalala Léa Mitondra hafatra manokana ho an’ny mpanao gazety


  • Zoma 19 Jona 2015

Ny fanovana ny fahamarinana no tena tsy zakan’Andriamanitra amin’ny asan’ny mpanao gazety Malagasy, hoy i pastera Fidiarimalala Léa, mpitarika ny fiangonana Jesosy Kristy no Filazantsara sy fahamarinana eto amintsika.

 

 Nampita hafatra manokana tamin’ny mpanao gazety ity mpanompon’Andriamanitra ity omaly teny amin’ny Cemes Antanimora. Notsindriany tamin’izany ny fampiadiana olona, fitiavam-bola sy ny fitiavan-tena ankoatra ny fifankahalana eo amin’ny samy mpanao gazety arahin’ny fanaovana antsirambina ny asa sy ny fiavonavonana. Mila mibabeka ny mpanao gazety, hoy hatrany ity mpanompon’Andriamanitra ary mivonona hanaparitaka vaovao tsara sy marina fa tsy ny ratsy foana. Nanambara ihany koa pastera Fidiarimalala Léa fa hanatanteraka fifohazam-panahy lehibe eto amin’ny tanintsika Andriamanitra ato ho ato, fotoana hiporan’ilay kintana faharoa toy ny tamin’i Jesosy teraka izay hipetraka eo ambonin’i Madagasikara. Tanjona ny hamerenan’Andriamanitra ny Malagasy ho ao amin’i Jesosy indray satria hisy loza hiandry ny tany, hoy izy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT