Finoana

Pastera Edouard Miantso ny SAMIFIN sy ny Bianco hanara-maso ny fikambanana ‘Fitia’


  • Alarobia 08 Septambra 2010

Miakatra ny vidim-piainana ao Mozambika, araka ny vaovao. Vokany, tsy manaiky fa mangataka ny hiverenan’i Chissano eo amin’ny fitondrana ny vahoaka any an-toerana.

Araka izany, hoy ny pastera Edouard, “rehefa miakatra ny vidin-javatra, ka miha maro ny tsy an’asa dia avereno ny mpitondra teo aloha”. Tetsy andanin’izany dia nambarany fa tsy manana kopia nahaterahana ny kisarina tetezamita ankehitriny ka tsy eken’izao tontolo izao, ka dia tsy mety mahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Ny olona tsy manana kopia, araka ny fanazavana, dia mazava fa tsy ara-dalàna. Ankoatra izay dia nanamarika ihany koa ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert fa misy onjam-peo iray eto an-drenivohitra mamingavinga sy maniratsira olona sy ireo Raiamandreny. Nampitandrina moa ny tenany satria mitady hampiady foko io onjam-peo io. Andanin’izany dia niantso ny SAMIFIN sy ny Bianco ihany koa ny pastera Edouard mba hijery akaiky ny momba ny fikambanana ‘Fitia’. Fikambanana izay nomarihiny fa manam-bola be sady manefoefo. Raha tsiahivina moa dia Rtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filohan’ny FAT no mitarika io fikambanana io.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT