Finoana

Pastera Benjamina FM FOI Manafatra sahady izay ho filoha lany hanao fianianana etsy Mahamasina


  • Talata 06 Novambra 2018

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny pastera Benjamina, filoha mpanorina ny fiangonana mpitory ny fizantsara aty amin’ny ranomasimbe Indiana ny alahady hariva teo.

 

 

 Nambarany tamin’izany fa tsy hataotao foana ny fianianana mametra-tanana amin’ny Baiboly ho an’izay filoham-pirenena voafidim-bahoaka eo. Izany no efa tsy nampandroso an’i Madagasikara hatramin’izay satria ny lafiny ara-panahy indray no nataon’ireo mpitondra tsinontsinona nefa izany no tena mavesa-danja indrindra. Tokony hankatoavina ny fianianana natao tamin’Andriamanitra, hoy ny pastera Benjamina fa tsy hatao fahazarana fotsiny ihany.  Mikasika ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana dia nomarihiny manokana fa fotoana efa tena mahamety izany izao. Efa maro loatra mantsy ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy noho ireo karazana olana mitranga eto amin’ny firenena. Mba hahatontosa izany an-tsakany sy an-davany sy hahafahan’Andriamanitra mametraka filoha ny sitrapony anefa dia miantso ny olona rehetra hivavaka ho an’ny firenena izy ireo rahampitso alarobia 7 novambra fotoana hiatrehana ny fifidianana. Mety foana na mialoha ny handehanana mandatsa-bato na aorian’ny fandatsaham-bato no hanaovana izany. Ny FMFOI kosa etsy an-daniny, hitolona am-bavaka mandrapilentiky ny masoandro mba hiakatra any an-danitra ny vavaky ny Malagasy rehetra. Nomarihiny manokana moa fa tamin’ny fotoana nampirongatra ny aretina pesta teto amintsika dia nivavaka sy nifady hanina ny FMFOI ka herinandro taorian’izany dia tsy nandripaka  olona maro teto amintsika intsony ity areti-mandoza iray ity.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT