Finoana

Pastera Arijaona Rakotondramanana “Mila mitandrina amin’izay lazaina fa faminaniana isika”


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Sady nitondra hafatra ho an’ny kristianina tsy an-kanavaka no nanao fanamarihana manoloana ilay horonan-tsary nalefa tamin’ny TVM mahakasika

 

 

 

ilay vehivavy Breziliana tonga teto Madagasikara noho ny faminaniana azony ny Filohan'ny Sampana Fifohazana FJKM, Mpitandrina Arijaona Rakotondramanana.: "Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko" ( Jer.23/28). Ny Tenin'Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Baiboly sy izay hazavaina eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina no raisintsika ho loharanon'ny finoantsika, hoy ny fanazavany ara-baiboly, ka noho izany mila mitandrina isika amin’izay lazaina ho faminaniana. Nasehon’ny tantara fa nanokana 20 minitra hivavahana ho an'ny firenentsika ilay vehivavy. Tsara izany. Manamafy izay efa ataontsika mandrakariva. Raha vavaka no atao, moa tena tsy maintsy ho tonga teto ve izy vao hanan-kery izany vavaka izany? Tsy azon'ny fikambanana nisy azy ho natao ve ny miombom-bavaka sy mifady hanina mihitsy aza ho antsika, arak’ilay hoe: " Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho. "( Mat.18/2). Araka izany, mila miverena amin’Andriamanitra ny Malagasy manontolo, hoy ity mpitandrina Fjkm ity. Mila miaky ny fahadisoany avokoa na izay mpitondra na izay entina fa izany ho antoky ny famonjena ( fanasitranana, fanavotana, fanafahana) ity firenentsika ity. Efa ela isika no nihiaka hoe : “Kristy ho an’i Madagasikara ary Madagasikara ho an’i Kristy”, koa nanamafy ny antso avo hanandratana vavaka sy hiadiana amin’ny demonia ny Mpitandrina Arijaona Rakotondramanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT