Finoana

Paster Roger Randriamisata “Fahendrena ny miala rehefa tsy mahavita”


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Ankoatra ny maha mpitandrina Fjkm azy dia anisan’ireo mpitarika ny Hetsiky ny

 

 

 

 

mpitondra fivavahana (HMF) ihany koa ny Pastera Roger Randriamisatra ary mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena.Niresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana izy nanambara ny fahitany ny zava-misy ary nilazany ny soso-keviny ihany koa.

Tia tanindrazana (TT): Ela no tsy nahenoina anareo eo anivon’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana, aiza ho aiza ny HMF sy ny raharaham-pirenena ankehitriny ?

Pst Roger Randriamisata (PRR): Eo foana izahay mandinika ny raharaham-pirenena. Manoro raha mbola misy manaiky ho toroina. Mivavaka ho an’ny firenena sy mitaiza ny olona hijoro amin’ny fahamarinana sy hatahotra an’Andriamanitra. Hetsika ny anay fa tsy antoko politika akory. Hitaiza ny olona anaty fahamarinana no tanjona satria io ihany no manandratra ny firenena. Tsy mandeha io na hiova olona inpiry rehefa tsy ao ny fahamarinana.

TT: Io izao ny raharaha volamena, ny vidim-piainana midangana, ny tsy fisian-drano sy jiro, ny Kere any atsimo sy ny maro hafa, inona no vahaolana arosonareo?

PRR: Endrika hita maso maneho fa misy zavatra tsy milamina eto amin’ny firenena ireny. Eo ny rafitra fa ny olona mihitsy koa indraindray no manahirana eo amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena. Tahaka ny olona marary misy soritr’aretina mivoaka ety ivelany ny firenena amin’izao fotoana izao. Ankoatry ny tsy hita maso dia ireo no hita maso aloha. Miresaka sy mifampihaino ihany no vahaolana. Na aty amin’ny fanoherana io na fitondrana. Ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona. Mila mitady olon-kafa rehefa tsy tafavoaka dia mifanampy an-kitsim-po. Mila madio saina sy fo ary matahotra an’Andriamanitra.

TT: Inona izany no tokony ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao? PRR: Mila mifampidinika amin’ny vahoaka izay lasibatry ny zava-misy ankehitriny mihitsy ny mpitondra. Mila mifampidinika amin’ireo mpisehatra politika rehetra eto amin’ny firenena, izany hoe eo ny mpanao politika fa eo koa ny fiarahamonim-pirenena mba iaraha-mijery ny tena tokony ho vahaolana satria firenena iaraha-manana ity. Marina fa misy ny olona voafidy sy napetraka eo fa rehefa tena tsy mahavita dia fahendrena no miala satria manjary simba ny firenena.

Nanangona: Jaonary Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT