PASKA TETSY ANTSAHAMANITRA

Nahavory mpino marobe


  • Talata 22 Aprily 2025

Nahavory mpino marobe nandritra ny Alahadin’ny Paska teo ilay fotoam-pivavahana niarahana

tamin’ny Fiangonan’ny Finoana notanterahina tetsy amin’ny kianja maitson’Antsahamanitra. An’arivony ireo mpino tonga nandray anjara tamin’izany izay marihina fa samy resy lahatra ny amin’ny fandresen’i Jesosy Kristy ny fahafatesana teo ambony hazo fijaliana izay hery lehibe hahahafan’ny tsirairay miatrika ny fiainan-ko ho avy indray. Vita ! vita !, io no loha-hevitra nampitondraina ny hetsika, niarahana tamin’ny Pastera Aintsoa Razafimandranto mivady. Taorian’ny fotoam-pivavahana notontosaina ny tapany maraina moa dia mbola nisy ihany koa ny fotoam-pahasoavana natao ny folakandron’ny hariva tamin’ny alalan’ny antsan-kiram-piderana lehibe.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoam-pivavahana natao ny faran’ny herinandro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT