Finoana

Pasitora Rakotonirina David Tsy manao politika na manohana antoko politika ny fiangonana


  • Talata 08 Novambra 2016

Tontosa soa aman-tsara tsy nisy tomika teny Antsahamanitra ny alahady faha-6 novambra lasa teo ny fametrahana tamim-pomba ofisialy ny komity Foiben’ny Flm vao voafidy farany teo tany antsirabe.

 Nandritry ny lahateny nataony taorian’ny fametrahana azy tamin’ny toerany no nanambaran’ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (Flm) ny Rév. Dr. Rakotonirina David fa “tsy manao politika politisianina na hanoha antoko politika ny fiangonana fa hitondra kosa ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Nohariny amin’ny Fanjakana roa ny ny Fiangonana sy ny fitondram-panjakana, ka ny fiangonana tanan-kavanana, hanao izay hampivelatra ny fitiavan’Andriamanitra, ny Fanjakana kosa tanana ankavia hanao izay hisian’ny fanajana sy ny fampanajana ny lalàna. Miara-miasa hahasoa fa tsy hifampitsabaka amin’ny andraikiny avy. Nisaorany araka izany ny Fanjakana tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny fiangonana, fa nentanainy kosa nanaovany antso avo ny zanaky ny fiangonana izay voaantso amin’ny anjara ndraikitra samihafa mba hijoro ho vavolombelona amin’izay asa iandraiketany izay, ka tsy hitondra henatra ho amin’ny anaran’ny Fiangonana. Notolorana ny mariboninahitra “Commandeur de l’Ordre National Malagasy » ny Pasitora Rév.Dr.Rakotonirina David ary ny « Chevalier de l’Ordre National Malagasy” kosa ny an-dRamatoa Vadiny.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT