Finoana

Pasitera Valisoa Navoaka tetsy Antanimora omaly, telo volana taty aoriana


  • Talata 24 Aogositra 2010

Telo volana mahery taorian’ny nisamborana azy dia navoaka ny fonja ihany ny Pasitera Valisoa Rafanonerantsoa.

Tonian’ny Sampana Tanora Kristianina eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izy ary koa mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) izay anisan’ny voasambotra tetsy amin’ny toby Fort-Duschène nandritry ny fifampitifirana teo anivon’ny zandary «mpikomy” sy ny miaramilan’ny Emmo-Reg, ny 20 mey 2010 teo. Raha tsiahivina dia izy no nosamborina voalohany teny an-toerana raha vao nivoaka ny toby izay nisy an-dry Kolonely Raymond Andrianjafy. Daroka no nitsenan’ireo miaramila azy tamin’izay fotoana izay. Nentina tetsy Betongolo nohadihadiana ary dia mbola nitohy ihany koa ny fidarohana azy. Fandrisihina ireo miaramila mba hikomy no niampangana ity mpitondra fivavahana ity. Voatery naiditra hopitaly tao amin’ny HJRA mihitsy ny tenany manoloana ny fikasihan-tanana nanjo azy. Ny 31 mey lasa teo izy no nentina teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana na ny marimarina kokoa ny mpitsara zokiolona. Nolavina tamin’io ny fangatahany fahafahana vonjimaika ary naverina teny amin’ny hopitaly izy mba hotsaboina noho ny tenany izay tena reraka be. Taorian’izay dia naverina teny amin’ny fonjan’Antanimora izay nitazomana azy vonjimaika. Omaly, telo volana taorian’ny nisamborana sy namonjana azy, dia nivoaka ihany ny alalana avy amin’ny fitsarana ny mba hahazoany fahafahana vonjimaika. Ny tapak’andro hariva ity mpitondra fivavahana ity no nivoaka ny fonja ary tsy mbola naneho ny heviny aloha manoloana ny zava-misy. Efa manomboka mivaha tsikelikely izany ny olana ho an’ireo mpitolona. Saingy ny tena andrandrain’ny maro kanefa tsy mbola nisy resaka hatreto dia ny famoahana ireo mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana izay efa telo volana mahery efatra andro izao no nitazomana azy ireo eny Antanimora...

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT