Ao anatin’ny fetin’ny paska tanteraka isika amin’izao fotoana izao, ka nezahina ny naka hevitra mpitondra fivavahana dia ny Pasitera Roger Randriamisata nahafahana nahazo fanehoan-kevitra mafonja kokoa mahakasika azy io.
Tia Tanindrazana: Inona marina no tena maha zava-dehibe ny paska ho an’ny Kristianina?
Pasitera Roger Randriamisata: Ny maha zava-dehibe amin’ny kristianina ny paska satria azo lazaina ho fototry ny tantaram-pamonjena satria milaza ilay zanak’ondry tsy misy kilema mitovy amin’ilay amin’ny testameta taloha hoe: raha niala tany Egypta ny zanak’Israely dia nasiana ran’ny zanak’ondry teny amin’ny varavaravarana dia nodinganin’ny mpandringana ny Zanak’Israely, fa ny lahimatoa tany Egipta no novonoina. Rehefa mankaty amin’ny testameta vaovao dia Jesoa Kristy no ilay zanak’ondry izay nandatsaka ny rany, ka mahatonga ny fahavelomana, nahadingana ny fahafatesana. Tsy hoe tsy mety maty ny olona, fa mety maty, saingy tsy manan-kery aminy io herin’ny fahafahatesana io, fa afaka manantena ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy fiainana mandrakizay izy rehefa tonga ny fahafatesana ara-nofo.
Tia Tanindrazana: Rehefa dinihina ny zava-misy sy miseho eto amin’ny Madagasikara toa hanjakan'ny maizina, eto daholo ny faharatsiana rehetra hatramin’ny fanolanana zazakely ka hatrany amin’ny biby aza, lainga, vono olona, fisolokiana, potika ny fomba fisainana, manjaka ny kolikoly mitambatra ho fahalovana,... Inona no vahaolana?
Pasitera Roger Randriamisata: Ny paska dia miresaka fialana amin’ny fahalovana sy amin’ny fahafatesana. Fandresena ny ota izay fototry ny fahafatesana ka ny olona rehefa tsy manana an’i Jesoa Kristy dia iharan’izany fahalovana izany. Ny firenena mantsy dia tsy ny hoe: ny fivavahana kristianina no manimba azy, fa ny fihatsarambelatsihy amin’ilay fivavahana no tena olana. Raha tena raisina io fivavahana kristianina io, ny finoana an’i Jesoa Kristy nandresy ny fahafahatesana, dia tonga olom-baovao sy fiainana vaovao ny olona fa efa lasa ny zavatra taloha. Ny vahaolana izany dia rehefa mivavaka dia tena mivavaka, ary mandeha amin’ny fahamarinana ao amin’i Kristy, fa tsy mihatsaravelatsihy. Rehefa tsy tena mivavaka dia aleo mijanona, fa tsy mihatsaravelatsihy. Tena manimba zavatra raha izay sady manimba ny fivavahana kristianina no manimba tena ny olona izay mihatsaravelatsihy”.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.