Finoana

Pasitera Roger Randriamisata “Fahamasinana aloha vao fahamarinana”


  • Zoma 29 Jolay 2022

Tontosa omaly tetsy amin’ny FJKM Salema vaovao 67ha ny fampahafantarana ny boky vaovao nosoratan’ny pasitera Roger Randriamisata, mpitandrina, mitondra ny lohanteny hoe “Fiangonana mpitari-dalana ny firenena,

iainany ny fahamasinana sy fahamarinana”. Antony nanoratana izao boky izao, hoy izy, ny fahitana ny faharavana tsikelikely sy faobe ny fahamasinan’ny firenena sy ny fihanaky ny tsy fahamarinana amin’ny endriny rehetra ka mahatonga azy ho heniky ny fahantrana. Eo koa ny fihetsiky ny fiangonana sy ny mpaminanin’ny firenena izay ahiana hifangaro voraka ka tsy hita intsony ny fiavahany. Eo ny fiheverana ny hoe iza no hamonjy ny firenena?, ny fiheverana sy ny faharesen-dahatra fa tsy misy manana hery ampy ho enti-manavotra ny vahoaka mahantra afa-tsy ny fiangonana noho ny fahamasinany sy fahamarinany ary ny fitokisan’ny mponina. Farany dia ny faharesen-dahatra tanteraka fa mahavonjy ny firenena ny fiangonana rehefa tena iainany sy ampihariny ary ampianariny eo amin’ny fiainany ny fotom-pampianarana maha Kristianina azy. Nisy nihevitra fa filamatrana antoko politika iray tamin’ny fotoan’androny ny hoe “fahamarinana sy fahamasinana”. Ny tena marina anefa dia fahamasinana aloha no tokony ho izy vao fahamarinana. Tsy tongatonga ho azy izay filaharana izay fa faminaniana ao anaty Baiboly izay nataon’I Zakaria. Isan’ny voaresaka ao anatin’ity boky ity izany ary voaresaka ao miaraka amin’izany koa ny antony mahatonga ny rafitry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ho toy izao. Izay niainga teny ifotony daholo ary amin’ny alalan’ny fifidianana fa tsy nisy hoe notendrena. Miala nenina amin’ny Kristianina izay noheverina fa nanao ny tsy nety ny fiangonana fa tsy misy hoe diakona nangalatra rakitra, ohatra, dia antsoin’ny mpitandrina dia hoe miongana ianao. Izany rehetra izany no ilana ilay fahamasinana mandeha aloha. Raha ny rafitra aty amin’ny fiangonana no hatao dika mitovy amin’ny rafitra hitantanana ny firenena dia ho vetivety isika dia hitovy amin’ireo firenena matanjaka toa an’I Soisy sy Danemark. Mila taratra aty amin’ny fiangonana anefa aloha ilay hoe fahamasinana sy fahamarinana fa rehefa tsy taratra aty izay dia aza manantena ny firenena handroso, hoy hatrany ity mpitandrina sady mpanoratra mpitarika ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ity.
J. Mirija
Legende: Ny pasitera Roger Randriamisata, notronin’ny pasitera Tiburse Soavinarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT