Finoana

Pasitera Randriamisata Roger - HMF “Vonona hifamela amin’ireo nanenjika anay izahay”


  • Talata 18 Novambra 2014

Amin’izao firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena eo ambany fitarihan’ny FFKM izao dia manana ny heviny ihany koa ny mpitandrina Randriamisata Roger, mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF. Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy ary nilaza ny fahitany ny zava-misy no sady nandroso vahaolana ihany koa. Marihina ety am-piandohana fa tsy miteny amin’ny anaran’ny Fiangonana izy eto fa amin’ny anaran’ny tenany manokana amin’ny maha mpitondra fivavahana sy mpandinika ny raharaham-pirenena azy.

Tia  Tanindrazana(TT) : Ahoana ny fijerinao izao fitondram-panjakana izao  sy ny zava-misy eto amin’ny firenena ?

Pasitera Randriamisata Roger(Pst Roger R) : Diso lalana izao fitondrana izao satria namerina ny zavatra rehetra nataon’ny tetezamita :  Ny baikon’ny Frantsay ! Hita miharihary fa na dia ny sarambaben’ny vahoaka aza dia mahatsapa izany fa tsy ilana mahay diplaomasia , ny fanangonana ireo olon’ny frantsay ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika dia efa ahitana izany. Ao koa ny famerenana ny nataon’ny fitondrana tetezamita amin’ny fampiasana herim-pamoretana raha vao misy mihetsika kely ka toy ny hoe : ireo miaramila no Tompon’ny fanjakana fa tsy ny vahoaka . Raha vao tsy nanolo ny lehiben’ny CIRGN teto Antananarivo io fitondrana io dia efa fantatra fa hanao izany fomba mamoafady izany indray. Dia mbola mitohy io fanjaka-miaramila io na dia eny amin’ny arabe aza fa tsy maintsy priorité izy ireo ary sahy mandeha amin’ny sens unique na dia hanatitra mpianatra aza. Fa manampy trotraka izany ny nametrahana ireo olona voasaringotra tamin’ny krizy 2002 amin’ny fitantanana  ireo minisiteran’ny fiandrianam-pirenena  izay azo antoka fa tsy maintsy hanao valifaty politika amin’ny fampiasana ny fahefana eo an-tanany. Ary dia ireo tokoa izy ireo ! Tsy hoe faly mitsikera fa indrisy ry fireneko fa izay no zava-misy ! Nokianina mafy ny lazaina fa fitanilana tamin’ny finoana iray tamin’ny fitondrana teo aloha, nefa indrisy fa mitady ho hita taratra amin’ny fihetsiky ny olona akaiky ny mpitondra ankehitriny ihany koa izany.

TT : Midika inona izany aminao ?

Pst Roger R : Tsy hanao fampihavanam-pirenena io fitondrana io fa hiroso amin’ny hitsin’ny lohany. Mety tsy dia ny Filohan’ny Repoblika loatra angamba no hoe tsy marisika hanao izany fa be loatra ireo olona manahirana manodidina azy izay toa manosika azy ho diso lalana mihitsy. Izahay moa dia efa nanala ny adidinay, niteny taminy mba hisian’ny fifamelana sy ny fifampitokisana  ka araka ny sitrapon’Andriamanitra no hitondrana ny firenena, amin’ny alalan’ny fahamarinana, ary tena nahavelom-bolo izany dinika nifanaovana taminy izany !

TT : Fa inona loatra no tena mety ho anton’izany ?

Pst Roger R : Ny fijerinay azy dia misy olona ‘’tsy miraharaha izay maha Malagasy ‘’ao amin’ny olona akaiky azy ka mitarika io fitondrana io hirona amin’ny fitondrana ‘’tsy misy Andriamanitra”, miaro ny Tombontsoan’ny vahiny sy ny fahefana eo an-tanany. Fa ny tena fotoben’izao toe-javatra izao dia tsy misy afa-tsy ny hoe  tsy natao tamin’ny fahamarinana ny famahana olana teto hatrany am-boalohany  ka be ny ahiahy sy tebiteby eo amin’ny mpitondra, raha omena fahafahana tokoa ny vahoaka .Dia io no tsy hanokafana ny radio nakatona, tsy amoahana ny gadra politika … Nefa tsindriako mafy fa tena fahadisoan-dalana be izany  satria izay mamafy rivotra dia tsy maintsy hijinja tadio.  

TT : Ny fandikanao ny zava-misy any Atsimo sy ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana ao anatin’izany ?

Pst Roger R : Tena  zava-dehibe anie ny fisian’izany hoe ‘’dahalo’’ izany ka niova fo e ! saingy tsy tokony ho niditra lalina tamin’io ny fanjakana fa aleo ny  mpiara-monina no mifandamina , araka ny fomba sy ny fanao any an-toerana. Ny antony dia izao : Lalàna tokana no mitondra an’i Madagasikara fa tsy hoe misy lalàna federaly akory eto ka manjary misy fitanilana amin’ny fampiharana ny lalàna. Tokony hotsaroana fa tena nisy ‘’habibiana’’ anie vitan’ireny olona ireny e  ! Faharoa : Ilay hoe fanafoanana ny ‘’tsimatimanota’’ ve izany tena hajaina sa hisy fanavahana ? Ny mampatahotra dia sao hiverina indray ny fampiasana ireny olona ireny hiaro ny fanjakana rehefa misy izay tsy hifanarahany amin’ny vahoaka ka hiverina indray ireny nitranga tamin’ny taona 1991 ireny , ka nanafarana manokana olona, hitifitra pilotra ny mpitolona avy teny amin’ny 13 Mey ? Ahiahy tsy hihavanana ihany izany satria aleo misoroka toy izay mitsabo. Farany : mety ho karazana provocation ihany ny fandaniam-bola amin’izy ireo nefa ny vahoaka maro an’isa tena mahantra !

TT : Inona no tena vahaolana amin’izao toe-draharaha izao ?

 Pst Roger R : Ny fiverenana amin’Andriamanitra sy ny fitiavan-tanindrazana  ka  tsy hanasarotan-javatra , toy izay mitranga ankehitriny ka hoe ilana fifampiraharahana avo lenta sy mitarazoka avokoa ny zavatra rehetra tokony ho vita mora ..vao vita , raha ho vita. Tena ilaina ny fanamorana ny fampihavanam-pirenena ka tena ‘’filàna maika’’ ny manova ireo olona mitana andraikitra mety hampikatso izany : Fiadidiana ny Repoblika, Governemanta, miaramila, fitsarana. FFM satria raha mbola eo ireo be lolompo sy tsy te hihavana na misy mpaniraka any ho any dia tsy afaka manantena izany isika na amin’ny siekla manaraka aza. Ny fitsorana sy ny fifamelana dia tena fomba Malagasy fa ny olona to fo tsy namantsika. Tsy voatery hiara-mitondra fa samy miezaka mitandro ny fihavanana amin’ny teny sy ny asa hatao  dia miandry ny fifidianana manaraka ny mpanao politika  ny vahoaka mandray ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso izay nofidiany, ny Fiangonana mampianatra ny zanany iaina amin’ny fahamarinana, ny fiarahamonim-pirenena : mitaiza ny olom-pirenena hijoro amin’ny maha olom-pirenena azy ny miaramila miaro ny vahoaka  fa tsy manao herisetra aminy dia izay !

TT : inona ary tompoko no azo amintinana izay voalaza rehetra izay ?

Pst Roger R :  Raha nisy olona afaka miteny fa niharan’ny herisetra teto , dia izahay Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana : nisy maty , nogadraina, nenjehina nandritry ny 3 volana, tsy afa-nianatra ny zanaka, tsy afaka niditra an-trano fa nohazain’ny miaramila sy polisy andro aman’alina, nandefasana  didy fampisamborana. Sahinay ny milaza fa tsy nihevitra hikorontana izahay tamin’ireny na hoe hanongana an’iza fa vavaka ho an’ny firenena no natao. Mbola velon’aina eo avokoa ny olona nanao izany sy ny nanome baiko nefa izahay dia efa nilaza ombieny ombieny fa ‘’mamela heloka’’ izahay , tahaka an’i Kristy ary ‘’mahay manadino’’ fa tsy mitana an-dolompo na mody mamela, zanakay ireo nanenjika anay tamin’izany ary misy tena zanaky ny fiangonana aza  nefa iza moa no Raiamandreny ahafoy zanaka fa ny zanaka no mahafoy Raiamandreny angamba ka mahavita herisetra aminy ary mbola vonona izahay hanao izany ampahibemaso, raha ilain’ny fampihavanana ny Malagasy izany ! Fa iza moa izahay no tsy hamela heloka ? Izao no baikon’ny Tenin’Andriamanitra ka arahinay : “Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ ny sasany tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.”Kolosiana 3 :13 . Noho izany dia vonona hifamela amin’ireo nanenjika anay izahay mba ho ohatra tsara ho an’ny firenena !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT