Léon XIV tany Cameroun

Fitsidihana apetraka ho


  • Alakamisy 16 Aprily 2026

mariky ny fifanorenana

Rehefa avy nanatanteraka fitsidihana tany Alzeria ny Papa Léon XIV, dia nitohy any Cameroun ny diany ary haharitra telo andro izany. Misy mponina efa ho 30 tapitrisa any ho any, moa ity firenena aty Afrika Afovoany ity ary ahitana finoaa maro saingy ny kristianina no tena maro an’isa. “Fiadanana sy fampihavanam-pirenena” io no lohahevitra ametrahana ity fitsidihana ity. Tantara efa maharitra ny an’I Cameroun sy Vatican. Amin’izao fitsidihana faha-4 tanterahan’i Papa ray Masina any an-toerana izao dia hita taratra eny amin’ny araben’ny renivohitra ny hafalian’ireo mpino. Misy ny sorabaventy amin’ny teny frantsay sy anglisy miarahaba ny Ray masina any amin’ity tany feno fanantenana ity. Teny faneva iray no tena miverimberina eny rehetra eny: “Hampihavana ny fo, hanasitrana ny firenena”. Hery lehibe izao fitsidihan’ny Papa Ray Masina izao asa izao satria tena mbola hita taratra ao Cameroun ny fisaraham-bazana. Eo ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika any amin’ny faritra avaratra sy atsimo andrefana (Noso) ary eo koa ny voka-pifidianana farany izay niteraka olana. Ho an’ny mpino, mihoatra noho ny resaka fifandraisana ara-diplaomatika fotsiny izao fitsidihana izao. “Famporisihana ho an’ny finoanay izao, saingy ambonin’izany rehetra izany dia mariky ny fiadanana taorian’ny zava-nitranga mampalahelo. Vantany vao mandray ny Papa ray Masina eto isika dia fahafahana lehibe hanampy antsika hanadino ny lasa” hoy ny mpino iray tany an-toerana.
Fifaliana H.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

  • Fivondronamben’ny evekan’i
  • Talata 03 Martsa 2026

Madagasikara Noraisin’ny Papa Léon XIV

Hijery ny tohiny
FTT