Finoana

Pasitera Rakotoralahy Mamy «Ny fahafahana no fanalahidy tokan’ny vahoaka Malagasy»


  • Alarobia 09 Jona 2010

Tsy misy vahaolana afa tsy ny tenin’i Jehovah tonga tamin’ny olom-boahosony ny famahana ny olana eto amin’ny firenentsika, hoy ny Pasteur Evangélique POWER, Rakotoralahy Mamy.

Io hafatra manokana an’Andriamanitra io, hoy izy no mandamina ny zava-miseho rehetra (adilahy politika, disadisa, fitiavan-tena, fitiavam-bola, fanandevozana…). Noho izany, mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fampandrosoana ity firenentsika ity, na inona na inona izany, dia mila tanterahina aloha io hafatra io. Anisan’ny fanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra voalohany indrindra izany : «Izay manome voninahitra ahy no omeko voninahitra», «Katsaho aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany» Matio 6 : 33, ka anisan’ny fikatsahantsika ny fanjakany ny fanatanterahana ny hafany, hoy ihany ity pasitera ity, izay manohy ny fanazavany fa marina tokoa ary tena marina fa mila fampihavanana isika Malagasy kanefa io hafatra io no ahafahantsika mahay mifampihavana : «Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana» Hosea 4 : 6.

Ao anatin’izao kororontana sy ady izao, hoy ihany ny Pasteur Evangélique POWER, Rakotoralahy Mamy, dia tadidio fa manome sehatra lehibe ho an’i Satana isika. Manoloana izany, ary mba ahafahana tena manatanteraka ny fampielezana io hafatra io, dia maniry ny hihaonana amin’ny filoham-panjakana, na ny lefiny sy ireo izay mangetaheta hampandroso ity firenentsika ity, ity pasitera ity mba hidinika ny fomba hanatanterahana io hafatra io satria mbola maro ny asa napetrany hatao amin’izany. Manome toky moa izy fa amin’ny fotoana hahatafita io hafatra an’Andriamanitra dia hiseho ny voninahiny eto amin’ny firenentsika. Tsy hain’ny olona atao izany fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra sady fandaharam-potoanany rahateo. Nambarany fa dia mbola holazaina amin’ny haino aman-jery rehetra eto amin’ny Nosy ny fanambarana io hafatra io.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT